Volamena 450 g, manana taham-pahadiovana 98%, miendrika lingot roa, no tra-tehaky ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny polisim-pirenena. Tsy nahitana taratasy mazava manamarina ny fitondrana sy fivarotana azy ireo volamena. Napetraka eny anivon’ny Banky foibe izany mandra-piandry ny valin’ny fanadihadiana.
Hatsangana ao amin’ny kaominina Ambodilazana, 40 km miala an’i Toamasina, ilay tobim-pamokarana herinaratra ao Volobe. Hamokatra herinaratra 750 GWh isan-taona ny fotodrafitrasa, izany hoe, 40% ny famokarana herinaratra manerana ny Nosy. Tokantrano miisa 360 000 fanampiny no hisitraka ny tetikasa.
Mpianatra miisa 119 nisitraka fiofanana momba ny kolontsaina mpandraharaha tamin’ny alalan’ny pôle stage Madagascar (PSM). Hetsika fiofanana mialoha ny fizaran’asa eny anivon’ny orinasa no nomena ireto mpianatra ireto. Nampahafantarana azy ireo karazana orinasa misy sy ny fahalalana tokony hananan’ny mpianatra hidirana amin’ny fizarana asa.
Fahombiazana ny hetsika Fia mora eto Antananarivo sy Toamasina. Mahatratra 9 592 kg ny hazandranomasina (drihy sy tretreky) lafo nandritra ny dimy herinandro nanaovana ny hetsika tamina toeram-pivarotana fito eto Antananarivo. Mitotaly 2 226 kilao kosa ny hazandrano lafo tamina toeram-pivarotana telo tao amin’ny renivohitr’i Toamasina.