Basikety- All Step : nifandona ny Lycée Andohalo sy ny Sainte Chantale

Niditra tamin’ny andro faha-4, ny faran’ny herinandro teo, basikety natokana ho an’ ny Lycée, “All Step”. Fifa­ninanana karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety, hiaraha-miasa amin’ ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pire­nena. Lalao miisa 6 no notontosaina ny sabotsy 13 avrily teo ary anisan’ny tena niady ny fihaonana teo amin’ny Lycée Andohalo sy ny Lycée Sainte Chantale. Lalao notontosaina teny amin’ny kianja basiketin’ny Lycée Andohalo. Nifandanja hatrany am-piandohan’ny lalao ny fihaonan’ ireto sekoly roa ireto izay nampihoraka ny mpijery tonga teny an-toerana. Raha toa ka nanana herijika ny hahazo ny fandresena ny Lycée An­dohalo, nitsimbadika tamin’ny fotoana farany ny isa ka 53 no ho 50 no nivoahan’ny Lycée Sainte Chantale ho mpandresy. Anisan’ny nandrasana sy niady ihany koa ny fifandonana teo amin’ny LMA sy ny ISF, sokajy lehilahy. Isa 3 monja ihany koa no nanelanelana ny vokatry ny roa tonta teo am-piafaran’ny lalao. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 47 no ho 44, nanoloana ny LMA ny ISF. Voka-dalao hafa kosa, isa 42 no ho 35 no nandavoan’ny Lycée JJ Rabearivelo ny Lycée Nanisana, sokajy lehilahy. Tafavoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 62 no ho 52, nanoloana ny Lycée Aka­masoa, ny Lycée Jules ferry, sokajy lehilahy ihany koa. Somary nahitana elanelana kosa ny haavo teknika, ho an’ny sokajy vehivavy, amin’
ity fifaninanana “Inter-Lycée All Step”, taranja basikety, ity. Isa 36 no ho 20 no nandresen’ny Lycée Saint François Xavier ny Lycée Andohalo, teo amin’izay sokajy vehivavy izay. Ankoatra izay, isa mavesatra 40 no ho 22 no nandavoan’ny LMA ny ISF, sokajy vehivavy.

Mi.Raz

Partager sur: