DAKA AN-JORONY: Ataovy «serieux» raha tena hilalao

Vaovao nampangorintsina ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpiondana ny baolina kitra, ny nandre ny herinandro lasa iny fa tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona Afrikaninan’ny baolina kitra (Caf) ny kianja Barea Mahamasina. Maro ny fanontaniana nivezivezy tamin’izany saingy mijanona ho antso an’efitra sy tsy misy valiny mazava izany. Ataovy «serieux» raha tena hilalao ê!
Tsy nivazivazy na nanaotao foana akory ny «inspecteur»-n’ny Caf nanao ny fizahana ifotony, ny kianjaben’i Maha­masina, ny zoma 5 marsa lasa teo. Tena nojereny ambony, nozahany ambany ireo rehetra tsy nety na tsy nanara-dalàna tao anatiny sy ivelan’ny kianja. Tsy nisy afaka nisalovana ny asany mihitsy na ny federasiona na ny fanjakana. Izany ny olona rehefa tena miasa ka ataovy «serieux», raha tena hilalao.
Mahonena fa toa lasa tompony mangataka atiny ny Malagasy. Ny gazety vahiny indray no nahitana ny vaovao fa tsy nahazo fankatoavana ny kianjaben’i Mahamasina. Tsy andrenesam-peo ny federasiona fa mangina tanteraka. Raha tsy marina ny vaovao, tokony hiteny ny tomponandraikitra, hampitony ny sain’ny mpilalao izay voakasik’ity raharaha ity voalohany. Ataovy «serieux» raha hilalao.
Miezaka mampitony ny hafanan’ity resaka tsy fankatoavana ny kianja Barea ity ve ny federasiona sa miasa mangina mandresy lahatra any ambadika any, mba hahazo alalana handray ny lalao iraisam-pirenena. Mampieritreritra mantsy izao tsy fanehoan-kevitry ny FMF izao. Ataovy «serieux» raha tena hilalao ê!
Ataovy maredona toy ny tamin’ny fiandohan’ny taom-piasana ny feonareo fa tsy ho sanatria tahaka ny ganagana ka ny natao hitarika indray no kely feo. Ataovy «serieux» raha hilalao.

Tompondaka

Partager sur: