Kianja Barea Mahamasina: misy fepetra takin’ny Caf

Taorian’ny fitsirihana na­taon’i Josua Andries Hoebeb, «inspecteur»-n’ny Caf ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 5 avrily lasa teo, nisy fepetra maika tsy maintsy tanterahina raha tiana ny hahazoan’io fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra io fankatoavana, mba hampiantranoana ireo fihaonana iraisam-pirenena atsy ho atsy. Anisan’ireny ny fanamafisana ny fiarovana ireo mpijery ka ampiana 8 ireo tohatra 3 fidinana mivantana eny an-kianja.
Eo koa ny fametrahana vavahady fivoahana manokana ankoatra ireo 5 lehibe, fampidirana mpijery, eo akaikin’ny varavarana faharoa sy fahatelo manoloana ny hopitaly Befelatanana sy ny sekoly Ste Famille. Tafiditra ao anatin’ny fepetra ihany koa ny tsy maintsy hisian’ny milina isaky ny vavahady fidirana hanisana ireo olona miditra ao anaty kianja na efa misy marika aza ny seza hipetrahana.
Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ity tsy fahazoan’ny kianja Barea ity ny fankatoavana. Raha tsiahivina, handray an’i Comores sy i Mali ny Barea, ny volana jona izao. Lalao tafiditra amin’ny andro faha-3 sy faha-4 amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026».

Tompondaka

Partager sur: