Vidim-piainana : mitohy ny sondro-bidy andavanandro

Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana manerana ny Nosy, nanomboka ny taona 2014 ha­tramin’izao 2024 izao, raha raisina ny 10 taona farany. Mitohy hatrany ny sondro-bidy amin’ny fiainana andavanandro.

Raha tsorina ny atao hoe fiakaran’ny vidim-piainana (inflation) eto, fitomboan’ny vidin-javatra ilaina andavanandro eo amin’ny fanjifana azy (Indice des prix à la consommation). Azo adika fitomboan’ny vola miasa koa ny fahalafosan’ny vidim-piainana. Ny taona 2020, ohatra, mbola 4,25 %, tafakatra 10,5 % ny taona 2023. Mitohy tsy tapaka izany amin’izao 2024 izao.
Nanamarika ny fiakaran’ny vidim-piainana ny vidim-bary, ny zavatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ireo entana avy any ivelany na vita eto an-toerana ihany koa, araka ny nambaran’ny Instat (Institut national des statistiques). Ny vidin-javatra vokatra eto an-toerana, nitombo manodidina ny 9,7 %, tao anatin’ny iray taona monja. Ireo entana avy any ivelany amin’ny ampahany. Tao anatin’io fotoana io, niakatra 12,48 % izy rehetra, araka ny salanisa. Nahitana fitomboana be indrindra ireo entana avy eto an-toerana sy ireo vita manontolo avy any ivelany, niakatra teo amin’ny 8,33 %, tao anatin’ny taona iray.
Nandritra ny telo volana voalohany teo, ny ao anatin’ny seha-pamokarana sakafo, voahodina na tsia no tena lafo. Manaraka azy, ny sakafo ihany fa voahodina sy fanafody. Nahitana fitomboana be­tsaka ny amin’ny sampandraharaham-panjakana, izany hoe, ny raharaha atao amin’ny fanjakana ary nitombo fa tsy maro ny raharaha amin’ny tsy miankina.
Miakatra hatrany, hatra­min’izao, ny vidim-piainana, indrindra fa ny sakafo eny an-tsena, na misy aza ny sehatra iarenan’ny toekarena, toy ny harena an-kibon’ny tany. Amin’ny faritra sasany, eo ny fiantraikan’ny rivodoza, fa itovian’ny faritra rehetra ny faharatsian-dalana.
Isam-bolana ny Instat ma­nangona ny vidin-javatra ikajiana ny fahefa-mividin’ny mponina. Misy ny toerana ikajiana izany vidin-javatra izany. Misy fiakaram-bidy avoaka isaky ny faritra sy manerana ny Nosy, avy eo kajiana ny fahefa-mividin’ny mponina. Hita fa mbola maivana ihany ny fahefa-mividy eo amin’ny maro anisa.

Miaka-bidy ny sakafo sy ny fanafody

Nahitana fisondrotana betsaka sady haingana ny vary, miakatra 21,37 % isan-taona nanomboka ny taona 2021; ny zavatra ilaina andavanandro (PPN), 30,21 % isan-taona nanomboka io vanim-poatoana io ihany.
Ny vokatra eto an-toerana no misy fisondrotana avo indrindra, manakatra avo roa heny na telo heny, indrindra ny legioma sy ny voankazo. Samy nahitana io fisondrotana io avokoa ny vokatra tsy voahodina sy voahodina, vokatra indostrialy sy ny asa tanana. Ny fahatapahan’ny angovo matetika (Jirama) sy ny tsy fahampian’ny angovo; ary ny lalana ratsy saika hatraiza hatraiza no antony tena mampisondrotra ny vidin-javatra eto an-toerana.
Mitombo vidy avokoa ny vokatra avy any ivelany miditra eto Madagasikara. Misongadina amin’izany ny fanafody. Ny antony, misy fisondrotana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, maivan-danja ihany koa ny sandam-bola Ariary .
Ny sakafo no voalohan-daharana amin’ny fisondrotam-bidy. Manaraka ny fahasalamana, betsaka ny tsy mahatsabo tena na fitsaboana tsizarizary ; hofan-trano sy ny zava-drehetra hoenti-mahandro, toy ny gazy sy ny saribao; fitaterana ; fampianarana sy ny fanabeazana; fifandraisan-davitra sy ny angovo, izay vao ny zava-pisotro misy alikaola na tsia, sigara….
Ny avy amin’ny sehatra tsy miankina no misy fisondrotana betsaka, hatrany amin’ny 12 % ny salanisa ankapobeny.

Tsy nihetsika ny vidin-tsolika
Mbola mafy no ho izao ny sondro-bidy raha misondrotra amin’izao misy azy izao ny vidin-tsolika.Tamin’ny taona 2022 no nisy fisondrotana farany. Vidin’ny lasantsy (SP), 5 900 Ar, gazoala (GO), 4 900 Ar, ary solika fandrehitra (PL), 2 430 Ar. Tsy nihetsika tamin’ireo ny vidin-tsolika hatramin’izay, izay misy akony lehibe eo amin’ny toekarena . Nahena 5 % koa ny TVA tamina gazy fandrehitra.
Fepetra noraisina ihany koa ny tsy fampiakarana ny vidim-bary avy any ivelany (vary Tsinjo sy vary Mora) noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisitera misahana ny Varotra sy ny mpivarotra mpamongady. Nisy fanampiana avy amin’ny fanjakana tamin’ireo karazam-bary ireo mba tsy hampihetsika ny vidiny.
Na izany aza, ny valin’ny fanadihadiana namoaka fisondrotana mihoatra ny 5 % nanomboka ny taona 2021. Araka ny kajy natao ihany, misy fiantraikany ny vidin-javatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary manomboka miarindoha ny toekarena. Mitombo ny tinady na eo aza ny sondro-bidy.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: