Rugby – “Can 2024”: hanala vela amin’ny ekipan’ i Kenya ny Makis Ladies

Efa ao anatin’ny fanomanantena farany amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 12, vehivavy, ny Makis Ladies. Hanala vela amin’i Kenya sy i Afrika Atsimo izy ireo amin’ity.

Mitohy etsy amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka ny fanazarantenan’ny Makis Ladies, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy (CAN 2024). Fihaonana tanterahina eto Madagasikara, ny 4 ka hatramin’ny 12 mai ho avy izao. Vonona tanteraka ny tovovavy malagasy hiatrika izany. Raha tsiahivina, efatra ireo firenena hiady ny lohany amin’ity dia i Afrika Atsimo, i Kenya, i Madagasikara ary i Cameroun. Hanana ny lanjany lehibe ity fifaninanana ity satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondi al 2025”, izay roa voalohany eo. Raha tsiahivina, nisolontena an’i Afrika, tamin’ny taon-dasa ry zareo Afrika­nina tatsimo sy ny Kenyanina. Nitana ny laharana fahatelo, ny Makis Ladies.

Araka izany, ekipa diso mifankahalala tsara izy efatra ireo. Hanala vela amin’i Kenya sy i Afrika Atsimo amin’ity ny Makis Ladies. Hidona voalohany amin’izy ireo rahateo i Kenya. Manana ny lanjany lehibe io fihaonana santatra io, araka ny nambaran-dRako­to­malala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Ny fandre­sena an-dry zareo Kenyanina, dia efa tongotra iray mizotra any amin’ny “Mondial”, noho izany, tsy maintsy hiady mafy hanao izay ho tratry ny heriny ny mpilalao rehetra amin’ity. Efa mametraka ny paikady farany rahateo ny mpanazatra.

Tompondaka

Fandaharan-dalao rehetra

Sabotsy 4 mai
01:00 – Afrika Atsimo vs Cameroun
03:00 – Madagasikara vs Kenya
Alarobia 8 mai
01:00 – Kenya vs Afrika Atsimo
03:00 – Madagasikara vs Cameroun
Alahady 12 mai
01:00 – Cameroun vs Kenya
03:00 – Madagasikara vs Afrika Atsimo

Partager sur: