Hotanterahina anio, eny Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Miisa roa ireo kandidà hofidina amin’izany. Anisany ny filohan’ ny FMTKD teo aloha, Ramanantsoa Christian, sy ny lehiben’ny ligin’Analamanga teo aloha, Rakotomanana Franck Tiana.
Tsiahivina fa amin’io fotoana io vao hijoro ny vaomiera mikarakara ny fifidianana (Ceni). Tsara ny mampahafantatra fa miisa sivy ireo ligy tokony hifidy. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Vatovavy sy Fitovinany, Betsiboka, Boeny, Atsimo Andrefana ary Alaotra Mangoro.
Ankoatra izay, ho tonga eto Antananarivo, anio, ny Maître Olivier Sicard, teratany malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay ary mpikatroka taekwondo 7ème dan, eny amin’ny kianjan’ny ANS Ampefiloha.
Hizara traikefa ho an’ireo Malagasy mpikatroka izy hatramin’ny rahampitso. Efa nanomana sy nizara ny fahaizany tany amin’ny faritr’i Vakinankaratra sy Mahajanga tany ny tenany teo aloha.
Fitia Randria