Tambajotra facebook : efa mpikambana ny 52% ny ankizy 8 hatramin’ny 19 taona

Tambajotra so­si­aly lehibe indrindra maneran-ta­ny ny facebook. Naorin’i Mark Zuckerberg tamin’ny taona 2004 izy io. 600 tapitrisa ireo mpikambana sy mpisitraka izany maneran-tany amin’izao fotoana.

Manodidina ny 3,15 tapitrisa kosa ireo mampiasa tambajotra so­sialy ary 3,05 tapitrisa ny mpampiasa facebook eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana sy ny tatitra nataon’ny Reporter sy ny Kepios tamin’ny taona 2023. 55% amin’izy ireo ny lehilahy, ary 45% kosa ny vehivavy. 25-34 taona ireo mpampiasa mavitrika io tambajotra io. Any Frantsa, liana amin’ny fampiasana tambajotra hafa toy ny Instagram, Snapchat ary TikTok ny ankizy 13-17 taona. Efa voasoratra mpikambana ao amin’ny facebook avokoa ny 52% ny ankizy 8 hatramin’ny 19 taona. Tanjona namoronana ity tambajotra ity ny hifanakalozana sy hifandraisan’ny mpianatra tao amin’ny oniversite iray tany ivelany tamin’ny voalohany. Famoronana pejy manokana ho an’ny mpikambana sy Andrimpanjakana ary orinasa, mba hampahafantatra ny tenany sy ny orinasany. Nahoraka ary niparitaka tamin’ny sekoly maro izany afaka iray volana taorian’ny namoronana azy. Niparitaka maneran-tany taty aoriana. Mano­didina ny 500 Ar ny vola aloan’ny mpanjifa raha te hiditra ao amin’ny tambajotra sosialy (internet voafetra) eto Mada­gasikara. Mahatratra hatrany amin’ny 38 miliara Ar, na 8 tapitrisa dolara amerikana mahery kely ny vola miditra sy mihodina ao anatin’ny fampiasana tambajotra facebook eto Madagasikara. Misy fiantraikany goavana ara-toekarena izany.
Hanaraham-baovao, hifanakalozana ary hifandraisana

Nampiova ny fitondran-tenan’ny Malagasy ny famerana ny fampiasana ny internet tamin’ny taona 2020. Nampirisika azy ireo hampiasa sy hitodika bebe kokoa amin’ny tambajotra sosialy. Nataon’ny maro hahazoana sy hanaraham-baovao, hifanakalozana ary hifandraisana amin’ny olon-drehetra maneran-tany izy io. Maro ny vokatsoa azo amin’ny fampiasana facebook, raha ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny, mahasarika ny tanora amin’ny tambajotra sosialy ny fahafahana milalao sary sy horonantsary. “Afaka hijerena sy handefasana ary hizarana sary izy io. Afaka handefasana horonantsary ary hafatra maro isan-karazany ihany koa izy ka antony hampiasako azy”, hoy i Nantenaina Larry, tovolahy nanontaniana. Mam­pifandray azy ireo amin’ny namana maro, amin’ny alalan’ny fahitana ny sary sy ny fihetsiky ny hafa. Ankoatra izay, « afaka hanaovana fikarohana zavatra mahasoa sy hanampiana ny namana ihany koa izy io”, hoy hatrany izy. Anisan’ny vondrom-piarahamonina mifototra amin’ny fanomezana sy fahitana tombontsoa iombonana io tambajotra io, raha ny fanadihadiana natao hatrany.

Loza ho an’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina

Ankoatra ny vokatsoa entiny eo amin’ny rehetra, ahina ho misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny tanora ny fampiasana tsy an-kiato ny facebook. Amin’ny ankapobeny, miankindoha amin’ny fampiasana io tambajotra io avokoa ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora. Miteraka adin-tsaina sy fanahiana ary fahaketrahana ara-tsaina eo amin’ny mpampiasa azy izany, araka ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana.

Fampiasana herisetra sy vaovao diso

Tanora 16 hatramin’ny 25 taona no tena mijaly amin’ny fampiasana ity tambajotra ity. 57% tamin’izany, ny tranga nataon’ny olon-tsy fantatra. 44% nataon’ny mpiara-mianatra, araka ny fanadihadiana nataon’ny Diplomeo tamin’ny taona 2022. Hatramin’ny fivoaran’ny tambajotra sosialy, mitombo ny herisetra miseho amin’ny alalan’izy io. Toy ny fanafihana mahery vaika eo amin’ny tanora, indrindra eo amin’ireo mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa sy ambony. Ampiasain’ny maro amin’ny fanehoan-kevitra ratsy, sary mamoafady ary fandrahonana amin’ny endriny maro izany ka antony tsy maharisika ny hafa hisehatra sy hampiasa izany, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Mety hiteraka ratram-po, tebiteby ary fahaketrahana eo amin’ny sain’ny tanora sy ny ankizy izany zava-misy izany. “Tsy voatery ho avy amin’ny tambajotra sosialy no mahatonga izany fa noho ny faharefoana sy ny fifandraisana ratsy sy tsy ampy eo amin’ny fianakaviana, namana, sekoly…
Ankoatra izay, maro ny mampiasa azy io ho lasa fitaovana hanapariahana vaovao diso. Miseho amin’ny alalan’ny fananganana Compte sandoka sy fangalarana ny maha izy azy ny olona iray izany. Eo koa ny mampiasa azy ho fanalam-baraka, fampiasana hosoka, fampiasana tsy ara-dalàna ataon’ny orinasa sy orinasa mandray mpiasa. Betsaka ny fandikan-dalàna voarakitra an-tsoratra nanomboka ny taona 2006 tao amin’ny facebook. Enjehin’ny lalàna ny fanaovana Compte sandoka sy ny fanapariahana vaovao tsy marina, araka ny andinin-dalàna laharana faha-201958/2019, tamin’ny 2 oktobra 2019.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: