Tontosa teny Alarobia, omaly, ny fifidianana ny filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja taekwondo (FMTKD). Rakotomanana Franck Tiana no lany hitantana ity taranja ity mandritra ny efa-taona. Nahazo vato dimy tamin’ireo ligy fito nahazo nifidy ny tenany. Vato roa kosa ny azon’ny kandidà mpifaninana taminy, Ramanantsoa Christian Richard, filohan’ny FMTKD teo aloha.
Ny hampiakatra avo ny taranja taekwondo eo anivon’ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ny hampiroborobo ity haiady ity eto Madagasikara no tanjon’ny filoha vaovao.
Nomarihiny fa vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra izy, indrindra ireo ligy izay tantaniny.
“Antenaina fa hitondra rivo-baovao amin’ny Taekwondo malagasy ny filoha vaovao. Tsara marihina fa raha misy tandrevaka mampikatso ny taranja, ataon’ity filoha ity. Hanao ny fivoriambe tsy ara-potoana (AG) ny filohan’ny ligy ka hanala azy eo amin’ny asany”, hoy ny filohan’ny ligy iray tsy nitononna anarana.
Tsara ny mampahatsiahy ireo filohana ligy miisa fito tonga nifidy teny an-toerana, omaly. Anisan’izany ny ligin’ Analamanga, Vakinankaratra, Betsiboka, Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony, Analamanga, Boeny. Tonga nanatrika ity hetsika lehibe ity ny solontenan’ny komity olympika malagasy (Com) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahatena (MJS).
Fitia Randria