Hotontosaina anio ny lalao ampahefa-dalana miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Manchester City Angleterre sy ny Real Madrid Espagne. Fihaonana izay hatao ao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium Angleterre.
Nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, ny lalao mandroson’ireto klioba ireto. Mbola manala vela ny Real Madrid amin’ity, nomontsanin’ny Manchester City tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 ity klioba espagnol ity, nandritra ny manasa-dalan’ny LDC 2023. Tsy afaka miatrika ity fihaonana androany ity i Tchouameni, mpilalao Real Madrid, noho ny hamaroan’ny karatra mavo azony. Efa sitrana kosa i Walker sy i Kevin De Bruyne, kalazan’ny Man City.
Ankoatra izay, hiady ny tapakilan’ny manasa-dalana ihany koa ny Bayern Munich Alemagne sy ny Arsenal FC Angleterre. Ady sahala 2 no ho 2 no nisarahan’ny roa tonta, tamin’ny dingana voalohany.
Fitia Randria