“Lire en fête” : averina ny hasin’ny boky

Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 23 avrily, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andava­mamba, ny “Lire en fête”, andiany fahenina. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny boky sy ny vakiboky. Ahitana fampirantiana, tsenaben’ny boky, fihaonana sy fifanakalozana amina mpanoratra na mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny boky, atrikasa. Anisan’ny tanjon’ny mpikarakara ny famerenana ny hasin’ny boky sy ny vakiboky, indrindra manoloana ny firoboroboan’ny haitao ara-kajy mirindra.
“Les mondes inexplorés de la littérature” no lohahevitra voizina mandritra ity andiany fahenina ity. Fampahafantarana ireo lafiny tsy fahitan’ny rehetra, nefa misy sy mahasoa, no trandrahina amin’izany. Hisy koa ny fifaninanana Slam, tsy miala lavitra ny lohahevitra.
Omaly, efa nianoka sahady ireo karazana fampirantiana ny mpitsidika. Fihaonana amin’ny mpanoratra sy mpisehatra eo amin’ny boky kosa ny fandaharam-potoanana amin’ity anio ity.

Lin

Partager sur: