Oniversiten’i Toamasina : mihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampiresahana

Tao anatin’ny ta­ona maro nitondran’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ankehitriny. Maha­tsa­pa ny rehetra fa nihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fi­fampiresahana eo amin’ny rehetra.

Maro ny tanora, malagasy sy vahiny, mandrato fahalalana eny anivon’ny oniversite eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny oniversiten’i Barikadimy sy ny any Ambatondrazaka, Vato­ma­ndry ary Fenoarivo Atsina­nana. Mitondra fiovana lehibe sy dingana amin’ny fampandrosoana ny fampiofanana sy fampianarana amin’izy ireny.
Mahatsapa ireo mpampianatra sy mpianatra fa misy fiovana tanteraka ny kalitaon’ny fampianarana sy fampiofanana eo anivon’ny oniversitem-panjakana ao Toamasina, tao anatin’ny taona maro lasa izay. Fantatra izany nandritra ny atrikasa fampiofanana sy fifanakalozana traikefa ny 21 marsa lasa teo. Natao tao amin’ny trano fisakafoana “La Marmite” Mangarano. Nisi­traka izany ireo mpianatra isan-tsokajiny eny anivon’ny oniversiten’i Toamasina. No­za­raina solosaina entin-tanana 180 isa ireo mpampianatra rehetra nandritra izany. An­koatra izay, efa misandrahaka anivon’ny faritra telo mandrafitra ny faritanin’ i Toamasina ny sampam-piofanana maro. Tsy vitsy ihany koa ireo orinasa lehibe sy mpandraharaha ma­tanjaka any an-toerana miara-miasa amin’ny sekoly. Toy ny Mictsl, Spat, SMMC, ny tetikasa Ambatovy… Manampy betsaka amin’ny fampiofanana sy fizaran’asan’ny mpianatra izany. Azo lazaina fa miantoka ny fanamafisana traikefan’ny mpianatra tsirairay avy ihany koa. Fanampiny, mitombo ny taranja hianarana sy hiofanana. Toy ny tolobaro-panjakana hamoahana olona ho PRMP sy polytechnique hamokarana injeniera.

Manamora ny teknika rehetra ny teny Sinoa
Anisan’ny fiovana eo anivon’ny oniversiten’i Toama­sina ny fanofanana teny Si­noa. Tonga nitsidika ny sam­pam-piofanana mahakasika izany, “Institut Confucius”, any an-toerana ny masoivohon’ny firenena Sinoa monina sy miasa eto Madagasikara, Li Ping. Ilaina ny fampidirana ny oniversiten’ i Toamasina ho ao amin’ny ” Yi dai Yi Lu” na tambajotra iraisan’ny oniversite lehibe indrindra ao Chine sy manerana izao tontolo izao, raha ny nambarany. “Mana­mora ny fifanampiana amin’ny lafiny teknika rehetra eny amin’ ny fampianarana ambony izany”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny hatrany fa vonona hanome vatsim-pianarana maro ho an’ny Malagasy hianatra ny masoivohon’ny Chine. Mba hahafahana ma­natsara ny kalitaon’ny fampianarana.

Niova ny fomba fitakiana
Nandritra ny fitantanan’ny filoha amperinasa ankehitriny, tsapan’ny rehetra fa niova tamin’ny fomba fitakiana ny mpianatra. Tsy nahitana hetsika fanakorontanana intsony ny teo anivon’ny “Campus’ hatramin’izay, raha ny zava-misy. Ankoatra ny olana ateraky ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny rano any an-toerana. Raha toa ka nahitana fandratrana mpianatra sy fahafatesana ary fanimbana fananana iombonana izany teo alohan’izao fitantanana izao.

Manamafy ny fifanakalozan-kevitra

Nisy famindram-pitantanana teo amin’ny Dr Razana­kolona Diny sy ny filoha ankehitriny, Dr Randrianantenaina Joël, mpitantana vonjimaika (Comité intérimaire) ny 6 May 2022. Natao izany taorian’ny fionganan’ny filoha teo aloha, Dr Zafitody Conscient. Noho ny fitokonana mamaivay nataon’ny mpianatra sy ny mpandraharaha “PAT” tsy mandray karama sy tambin-karama efa ho volana maro. Nahafaty mpianatra mihitsy izany hetsika izany. Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny 3 desambra 2022 ny filoha vaovaon’ny oniversiten’i Toamasina. Tonga nitarika izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Béatrice. Nilaza teo imasom-bahoaka izy fa fanambiny sy laharam-pahamehana mandritra ny telo taona, ho an’ ny oniversiten’i Toamasina, ny fifampiresahana amin’ny mpianatra sy sokajin’olona maro. Hamafisina ny fifampidinihana eo amin’ny mpianatra isaky ny foko niaviny avy. Hatsaraina ihany koa ny fampiofanana sy ny fandresen-dahatra, hialana amin’ny fanapotehana sy fanimbana fananana iombonana ary ny fifofoana ny ain’ny samy mpianatra. Nambarany tamin’izany ihany koa ny fanaovana ezaka eny anivon’ny “Campus”. Mba hisian’ny filaminana hatrany ahafahan’ny mpianatra mifantoka amin’ny fiofanana sy fianarana ratoviny.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: