TARATRY ny KANTO

Faha-202 taona nanapahan-doha an-dRatsitantanina. Hisy tetikasa dimy mbola hotanterahina, anatin’ny hetsika fahatsiarovana. Voalohany ny fananganana tranombakoka eny Ambohitsararay, Sabotsy Namehana. Eo koa anefa ny fananganana trano roa any Maorisy, ka ny iray “case créole” hampirantina ny fiainan-dRatsitantanina.

Miverina ny Sokaf’hehy, hampiakaran-tsehatra ireo manan-talenta. Amin’ny alalan’ny fanehoana ireo karazana fampihomehezana eto Madagasikara. Hatao androany etsy amin’ny CGM Anakely amin’ny
2 ora tolakandro ny Sokaf’hehy. Misy ny fiaraha-miasa eo amin-dRajaofera Andrianaina Sandy sy ny CGM ahafahana manao izany.

Mozika klasika eto Madagasikara, mitohy ny asa fikarakarana sy fampiroboroboana ny seho karakarain’ny Madagascar Mozarteum, amin’ny alalan’ny “soirées classiques”. Hatao ny 19 avrily amin’ny 7ora, etsy amin’ny IFM Analakely izany. Omena tosika ireo tanora manan-talenta sy mampitombo ny fahaiza-manaony ara-mozika.

Hatramin’izao, tsy mbola mahafantatra ny hakanton’ny kolontsainy sy ny zavakantony ary ny hasina ananany ihany ny Malagasy. Vao mandalo andro vitsy any ivelany (firenena hafa), samy milaza daholo fa nitondra avo ny kolontsaina malagasy. Nipoitra indray io fomba fiteny io tato ho ato, satria, manomboka manatanteraka seho ivelan’ny Nosy ny mpanakanto maro.

Partager sur: