Tropy Ilo: holalaovina an-tsehatra indray ny « Mose Lemera »

Taona 2023, feno ny toerana. Maro ny fangatahana ny hamerenana ny filalaovana an-tsehatra ilay tantara «Mose Lemera»… Namaly izany ny tropy Ilo ka ny alahady 28 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn, ao amin’ny Ivokolo (Cemdlac taloha) Analakely, efitrano malalaka Charles Ravaloson no hilalaovan-dry zareo izany an-tsehatra indray. «Mose Lemera», tantara nosoratan-dRatsim­bason Pierre Emile. Narin­dran-dRavaloson Haja ho azo lalaovina eny an-tsehatra.
Hizara roa ny tantara ka ny tapany voalohany haneho ny nahatonga an-dRabenofy ho lasa «Mose Lemera». An­i­san’ny nandray anjara ta­min’izany ny zaodahiny. Ny fizarana faharoa, manasongadina ireo zavatra nataony sy ny hevitra nentiny hanatanterahiny ny raharahan-janany (fanambadian’i Mevasoa).
20 eo ho eo ny isan’ny mpilalao ho hita eny an-tsehatra. 5 kosa ny mpilalao fototry ny «Mose Lemera». Natao ho an’ny sokajin-taona rehetra ny tantara, izay sady mahatsikaiky, kanefa ahafahana misintona anatra lehibe ihany koa. Tantara mitaiza ny rehetra ho tia sy hanaja ny kolontsaina sy ny fomba malagasy. Hifa­naraka tsara amin’ity tantara ity rahateo ny haingon-tsehatra amin’io fotoana io.
Raha tsiahivina, mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ ny mpanao teatra malagasy ny tropy Ilo nanomboka ny taona 2007. Tany nitsimohany kosa ny tropy Jeannette.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: