Herinandro taorian’ny fisian’ny gidragidra teo amin’ny lalaon’ny Mama FC sy ny 3FB, namoaka fanapahan-kevitra ny Club du football Elite de Madagascar (CFEM). Sazy henjana no azon’ny roa tonta.
Nivory teny Mahamasina, ny talata lasa teo, ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), sy ireo filohan’ny klioba efatra ao amin’ ny kaonferansy avaratra, ny Ajesaia, KFCA sy Asa Diana ary ny Fosa Jr. Nomena sazy henjana ny Mama FC sy ny 3FB Toliara, noho ny gidragidra niseho teo amin’ny fihaonan’izy ireo, ny alahady 14 avrily lasa teo, teny Imerintsiatosika nandritra ny andro faha-7 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Pureplay football league (PFL). Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ ny CFEM fa nankatoavina ny lalao ka nomena fandresena
3 no ho 0 ny Mama FC. Saziana handoa honitra 2 tapitrisa Ar nefa izy ireo noho ny goragora teo amin’ny fikarakarana ka nisian’ny korontana. Nandraisana fepetra manokana ny 3FB ka hatao eto Antananarivo ary tsy asiana mpijery ny lalaony amin’ny “Play-off”, manomboka ny 28 avrily ho avy izao, izay karakarain’ny CFEM. Horaisin’izay mpifanandriny aminy ny fihaonana miverina ary afaka hatrehina. Raha tsy manaiky ny hilalao eto Antananarivo ry zalahy, miakatra amin’ny dingana manaraka ny mpifanandrina aminy. Tsy mahazo manao io dingana io ny 3FB raha tsy voaefa ny ambin-tsazy tamin’ny taon-dasa, mitentina 5 tapitrisa Ar. Havarina D2 raha mbola misy ny savorovoro ataony.
Tsy afaka miatrika ny “Play-off” koa ny Tsaramandroso Formation raha tsy mahaloa ny 8 tapitrisa Ar. Tafita avy hatrany ny mpifanandrina aminy raha miseho izay tranga izay. Efatra andro mialoha ny fanombohan’ny fifaninanana, ny fe-potoana handoavan’ireo ekipa ireo izany. Farany, mi-tory eny anivon’ny fitsarana ady heloka tsotra ilay mpitsara voakasi-tanana.
Tompondaka