TARATRY ny KANTO

Hanomboka anio ny « Tokotany be ». Ho ambohipihaonan’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, mandritra ny hateloana. Hisy tranoheva maromaro hampahafantaran’ireo matihanina isaky ny sehatra misy azy ny asan’izy ireo. Hisy ihany koa ny fampirantiana, atrikasa, fampisehoana, sns, mandritra izany.
Mandray anjara amin’ny “Biennale de Venise” Raininoro Hobisoa. Tompon’andraikitry ny fandaharana ao amin’ny Fondation H izy, ka anisan’ireo matihanina momba ny zavakanto izay miisa 10 nosafidiana manokana aty Afrika, hanatrika izany. Ankoatra ny fitsidihana an’i Venise, anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ny fitsidihana ireo ivokolo fampirantiana zavakanto isan-karazany, mandritra ity hetsika lehibe indrindra ho an’ny zavakanto ankehitriny ity.
Mitohy hatrany ny fanamarihan’ny Tana Gospel Choir ny faha-20 taonany. Hiakatra amin’ny sehatra goavana amin’izay ny fankalazana, satria ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatontosana izany, ny alahady 19 mey ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Efa eo am-panomanana ny endri-tseho izay mampiavaka azy hatrany ny TGC.
Eny amin’ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato indray no hanohizan’ny Tanora Masina Itaosy ny fampisehoana an-tsehatra sy fitoriana an-kira. Amin’ny alahady 21 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. “Amboaran-kira ara-pilazantsara”, izay karakarain’ Ny antoko mpihira taninketsa eny an-toerana ity atao ity.

Partager sur: