Toerana miavaka sy zava-naorina : hisy ny fitsidihana ny Rovan’Antongona

Nanomboka ny taona 1982, nambara fa Andro ma­neran-tany ho an’ny toerana miavaka sy zava-naorina ny 18 avrily. Io no tapaky ny komity iraisam-pirenena misahana ny toerana miavaka sy ny zava-naorina, na ny Icomos. Anisan’ireo manamarika izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, izay miara-miasa akaiky amin’ny komity nasionaly malagasy ho an’ny Icomos.

« Toerana miavaka sy zava-naorina : vonona hiatrika ny loza manambana », ny lohahevitra nosafidiana ho an’ny fankalazana amin’ity taona ity. Hisy ny fitsidihana ny Rovan’Antongona, izay iray amin’ireo toerana miavaka sy zava-naorina, ny 19 avrily izao. Hotontosaina amin’io ny fizarana ny bokikely torolalana amin’ny fanentanana. Toera­na manan-tantara, mahafeno ny fepetra maha toerana miavaka sy zava-naorina.

Hisy horonantsary handeha amin’ny TVM, izay mahakasika ireo toerana miavaka sy zava-naorina miatrika ireo loza voajanahary. Hampaha­fan­tarana ao amin’ny pejin’ny minisitera sy ireo haino aman-jerim-panjakana ireo harembakoka, ny 19 hatramin’ny 26 avrily. Hotontosaina ny 26 avrily kosa ny “Tafasiry”, eny amin’ny Lapan’Andafiava­ra­tra, manodidina io lohahevitra io ihany. Entanina ireo matihanina rehetra manodidina ny harembakoka mba handray anjara amin’ny atrikasa.

Zo ny Aina

Partager sur: