Zook Davids : mitohy ny « EPP Tour »

Fanamby efa napetrak’i Zook Davids sy ny ekipany, ny hitondra fanabeazana miainga avy any amin’ny ankizy. Fo sy saina ary vatana sy fanahy, tafiditra ao anatin’izany avokoa. Hitohy, anio, eny Androhibe II ny hetsika « EPP Tour ». Fampisehoana an-tsehatra sahaza ny ankizy. Fifaninana isan-karazany ho fampitomboana ny fahalalana efa ananan-dry zareo. Fanentanana samihafa… Amin’ny ankapobeny, ilay fitaizana ny ankizy ho olom-banona no tanjona.
Marihina fa anisan’ny nimasoan’i Zook Davids tao anatin’ny taona maro ny fitodihana manokana amin’ireo zaza sy ankizy ary ny fomba ifandraisana amin’izy ireo. Saika miompana amin’ny hira sahaza azy io salantaona io, ny sanganasany noforoniny. Na ny fomba hoenti-maneho izany eny an-tsehatra aza miavaka ihany koa. Nokatsahina izay hanintona ny ankizy amin’ny alalan’ny fitafiana, loko marevaka, haingo, sns.
Tahaka izany ihany koa ny gadon-kira sy ny feo miaraka aminy. Ankizy sy tanora manan-talenta rahateo ny ankamaroan’ny mpikambana ao anatin’ny tarika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: