Fandrosoana: Ilaina ny tandrohasina

Ekena, sarotra ny mamaritra ny hoe « mandroso », rehefa hohasarotina. Mora kosa anefa rehefa hotsorina. Na izany aza, ny mahantra nanjary nanana, fandrosoana. Ny mpianatra nisondrotra kilasy, fandrosoana, sns. Ny dihy soroka nanjary dihim-pitombenana, fandrosoana ve? Raha ny faritra misy ireo eo amin’ny vatan’ny olombelona (soroka mankeo amin’ny fitombenana) no jerena, tena tsy fandrosoana fa fidinana!
Na mikajy fatratra ny fandrosoana aza ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Mila tandrovana fatratra ny hasina ao aminy. Tononkira tsy mamingavinga soatoavina, ohatra. Fanorona lalaovina amin’ny ordinatera fa tsy hanariana ny hasim-panahy ao anatiny. Hosodoko maneho ny lanjan’ny fitiavana fa tsy voatery ho sary miboridana, sns.
Izay afaka mampifanaraka ny kolontsainy amin’ny vanim-potoana misy ihany no mety handroso. Mila fahasahiana sy fahavononana lehibe ny fanatanterahana izany, satria, mihazakazaka mafy ny « fandrosoana », kanefa, ny kolontsaina malagasy, mbola mila trandrahina lavidavitra!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: