Fiarovana ny tontolo iainana : mampihena ny fandaniana ny fampiasana arina maitso

Azo lazaina fa mbola vitsy ny olon-tsotra manjifa ny vokatra vita amin’ny arina ekolojika eto Madaga­sikara. Anisan’ny mampihena ny vola mivoaka eo anivon’ny tokantrano tsirairay kosa anefa ny fampiasana azy io.

Miankina tanteraka amin’ ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay avokoa ny 95% ny tokantrano eto Madagasika­ra. Mbola lafo vidy ho an’ny vahoaka kosa anefa ny fampiasana gazy, fatana mandeha amin’ny herinaratra…, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny antony iray tena manimba ny tontolo iainana sy ny ala anefa izany. Vokany, mihamaro ny famoronana ny arina maitso na ny arina ekolojika mba hiarovana sy hampihenana ny fampiasana arina tsotra. Amin’ny ankapobeny, tsy mbola marisika amin’ny fampiasana ny arina ekolojika ny ankamaroan’ny Malagasy. Antony ny tsy fa­ham­pian’ny fahafantarana sy ny tsy faharesen-dahatra eo amin’ny tsirairay. Anisan’ny angovo azo havaozina maneran-tany ny arina ekolojika. Efa ahitana azy io avokoa ny firenena mandroso rehetra, eny fa na ny andalam-pandrosoana aza. Matetika vita amin’ny vovok’arina tsotra, poti-kanina, fako, ravinkazo, bozaka, ampanga, afangaro amin’ny vovoka mangahazo ny akora ampiasaina amin’izany.
Maro ny tombontsoa ny fampiasana ity arina maitso ity. “Anisan’izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanahenana ny fanapahana ala”, hoy i Miandrisoa Andrinirina, tale ara-barotra eo anivon’ny orinasa mpamokatra Arina vanja, ao amin’ny Mada eco energie. Mampihena ny fandaniana eo amin’ny vola mivoaka isan-tokantrano koa izany. Sady mi­tsitsy no maharitra am-patana ary tsy mandoto ny arina ekolojika. “Mampihena ny fandaniana ihany koa satria tsy mila manapoka be intsony fa arina kely ihany dia mahamasaka sakafo”, hoy hatrany izy. Tsy misy voka-dratsiny amin’ny fahasalamana ihany koa, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Lasa 1 600 Ariary ny 6 000 Ariary teo aloha

Varotana amin’ny kilao ny arina ekolojika eny anivon’ny mpivarotra. Manodidina ny 800 hatramin’ny 1000 Ariary eo izany. Raha ho an’ity orinasa mpamokatra arina iray ity, mahavokatra arina manodidina ny 5 t isan’andro ary mampiasa olona 26 izy ireo. Anisan’ny mpanjifa ny vokatra ny mpivarotra hani-masaka, ny toeram-pisakafoana ary ny mpanao savony, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Mbola vitsy ny olon-tsotra manjifa izany.
Ho an’ny tokantrano iray nanontaniana, nihena ho 1600 Ariary isan’andro ny arina ekolojika lanin’izy ireo. Raha toa ka nahatratra 6 000 Ariary isan’andro izany taloha. Nahafa-po azy ireo ny fampiasana ity arina maitso ity satria mampihena tanteraka ny fandaniana sy ny vola miditra. “Vola tsy maintsy mivoaka mantsy ny hividiana arina, ka atao ny hanahenana izany araka ny tokony ho izy, antony ampiasaiko ny arina maitso”, hoy i Nirina Malala­tiana, renim-pianakaviana iray nanontaniana. Mandany arina tsotra iray gony ny tokantrano iray amin’ny ankapobeny. Ma­ha­tratra eo amin’ny 30 000 Ariary ny vidin’izany. Nihena ho 20 000 Ariary kosa izany, raha toa ka mampiasa ity arina mai­tso ity. Manodidina ny 20 kg eo ny gony iray amin’izany. Raha ho an’ny trano fisakafoana iray nanontaniana kosa, nandany arina tsotra 30 gony isam-bola izy ireo teo aloha. Nihena ho 14 gony isam-bolana izany ankehitriny, nandritra ny fampiasana arina ekolojika.

Olana ny haratsian’ny toetr’andro

Mandalo dingana maro ny asa fanodinana sy famokarana ny arina ekolojika. Angonina ny akora ampiasaina, izay safidin’ny mpamokatra. Totoina atao malemy tsara ary avy eo sivanina. Andrahoina amin’ny vilany mandritra ny 30 minitra eo ny koba mangahazo (fecule). Afangaro amin’ny vovo-tsaribao izany rehefa masaka, ary ampiana sira vaingany. Tanjona ny hahatsara ny vokatra. Volavolaina hahazo endrika izay tiana avy eo ary hamainina tsara mba ho azo ampiasaina tsara. “Miandry fotoana ny fanamainana ny arina vita, miankina betsaka amin’ny hatsarana na haratsian’ ny toetry ny andro izany”, hoy hatrany i Miandrisoa Andrinirina, tale ara-barotra eo anivon’ny orinasa mpamokatra Arina vanja.
Tsy mitovy amin’ny fampiasana arina tsotra mahazatra ny arina maitso. Anisan’ny mampiavaka azy ny tsy maintsy ampiasana ny makarakara vita amin’ny fer 6 na 8, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ilaina be ny rivotra mba hampiaina ny afo tsara ka izay no antony hanaovana izany. Mila kororohana tsara ihany koa ny afo mba hampiala ny lavenona. Fomba tsara, mora atao ny mandrehitra arina tsotra, raha mbola tsy zatra. Rehefa mahazo rehitra tsara izany vao ampiana arina ekolojika amin’izay.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: