Hetsika « Tokotany be »: seha-pihariana hampiakatra ny toekarena ny kolontsaina

Sambany no nisy. Tafaraka amina toerana iray, anaty hetsika iray, rehefa mahakasika ny indostrian’ny kolontsaina sy ny asa famoronana. Tosika ho an’izay fihariana mifototra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina izay ny “Tokotany be”.

“Ny toy izao no hahalalan’izao tontolo izao ny kolontsaina malagasy”, hoy i Fredy Kely, Mpi­ka­bary kalaza, fa fantatra kokoa any amin’ny tontolon’ny hiragasy, amin’ny maha mpitarika tropy azy. Izy no nosafidiana hitondra fitenenana, nisolo tena ireo mpandray anjara rehetra amin’ny hetsika “Toko­tany be”, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina.
Sambany no nisy ity hetsika ity. Natao hanomezana sehatra ny indostrian’ny ko­lontsaina sy ny asa famoronana. Vory ao Mahamasina ny sehatry ny zavakanto rehetra, izay mamelona olona maro, ary seha-pihariana heverina fa hiroborobo raha mahazo tosika toy izao. “Azo atao tsara ny manangana indostria matanjaka amin’ny alalan’ny famoronana. Aoka tsy hadinoana fa indostria miroborobo ny kolontsaina ary mamelona toekarena mifamatotra”, hoy ny filazan-dRakoton­drasoava Fetra, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera, nandritra ny lahateniny, omaly.
Na ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina aza, mbola maro ireo tsy nahalala fa misy sehatra tsy ampoizina ao, kanefa mampidi-bola ary mamelona tokantrano maro. Tazana any anatin’ireo tranoheva maherin’ny 50 izany, ahitana mpampiranty eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika, rohim-boky, hosodoko, saripika, sokitra, lamaody, mozika, fampisehoana isan-karazany, sns.
Ny fanehoana zavakanto nandritra ny lanonam-panokafana dia ampy hitarafana ilay fivelaran’ny sehatra. Nisesy ny dihy, filatroana, hira sy mozika, sns, ankoatra ny hakingana sy ny kilalao malagasy tao ivelany. Nivelatra toy izany ireo karazana atrikasa sy velakevitra. Niompana tamin’ny zon’ny mpamorona eto Madagasikara ny velakevitra voalohany. Nanaraka avy eo ny fizahana horonantsary, narahina adihevitra. Anisan’ny nahaliana ny maro koa ny “masterclass”, niarahana tamin’ny sendikan’ny mpikarakara fampisehoana, mahakasika indrindra izay sehatra izay. Hitohy anio sy rahampitso ny “Tokotany be”.

Zo ny Aina

Partager sur: