Nifarana ny alarobia lasa teo ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy atsy Allemagne, Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany. Raha hiverenana ny lalao nandritra ny ampahefa-dalana, ny PSG, nanintsana ny FC Barcelone Espagne. Ny Dortmund nandresy ny Atletico Madrid. Ny Bayern nandavo ny Arsenal Angleterre ary ny Real Madrid nanilika ny Manchester City Angleterre, izay tompondaka tamin’ny taon-dasa. Araka ny fikarohana natao, hatao ny 30 avrily ho avy izao, any Allemagne, ny fihaonana mandroson’
ity dingana manaraka ity, raha toa ka ny 7 mey, any Paris sy Madrid ny fifanandrinana miverina. Tsara ny mampahafantatra fa hatao any Wembley Angleterre, ny volana jona ho avy io, ny famaranan’ny “LDC 2024”.
Fitia Randria