Namoaka ny boky #Zakoa: mitafa mivantana amin’ireo liana i Hary Rabary

Hiatrika ny dingana famaranana amin’ilay fifaninanana « Prix Orange du livre en Afri­que 2024 » izy. Ilay boky #Zakoa, navoakan’ny Editions Dodo vole, no hoentin’i Hary Rabary mandresy lahatra ny mpitsara mandritra izany. Mi­aloha izay anefa, tazana tao amin’ny tranohevan’ny Oran­ge Solidarité Madagas­car, mandritra ilay hetsika “Toko­tany be”, etsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ity mpanoratra ity.
Nasain’ny Orange Mada­gas­car manokana, mba hitafa sy hisera amin’ireo izay liana amin’ity boky navoakany ity ny mpanoratra.
Efa mpandray anjara amin’ny hetsika fampiroboroboana ny vaky boky sy ny rohim-boky ny Orange Madagascar. Anisan’ireny ny tetikasa “Ndao hamaky boky”, izay novolavolain’ny Tranombokim-pirenena. Azo tsapain-tanana ny vo­katra amin’ity tetikasa ity, noho izy mikendry ny eny ifotony. Tanàna saro-dalana maro no efa nisitraka izany, nahazon’ireo mpianatra ambaratonga voalohany tombontsoa amin’ny famakiam-boky. Mbola misy roa andro ny ahafahana mitsidika ny tranohevan’ny Orange.

Zo ny Aina

Partager sur: