Tantara an-tsehatra: hifanesy ny fitetezam-paritry ny Iray Fy’Art

Hitodi-doha any Andraiki­ba Antsirabe indray ny tarika Iray Fy’Art, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny Ekar St Joseph Andohalo. Hitondra an-tsehatra ilay tantara nosoratan’i Niravo Randria: “Ny herin’ny vola”. Hamelona izany ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, ahitana an’i Faly, Rakoto, Synèse, miaraka amin’i Niravo sy Antsaravaka. Handrindra an-tsehatra sy ny lafiny teknika ary ny fanentanana kosa, i Bruno Rakotomalala. “Tantara maneho ny fiainana andavanandro sy ny trangam-piarahamonina amin’izao fotoana izao izy io. Ifanjevoan’ny resa-pitiavana sy ny tazon-karena ary koa ny fitodihana amin’ Andriamanitra”, hoy ny mpanoratra, Niravo Randria. Nam­barany fa ho hita eny an-tsefantsefany eny ny mampihomehy, ny mampalahelo ary koa ny fitaintainana. Fotoana koa io ifanakaikezan’ny mpankafy sy ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa anisan’ny tanjon’izy ireo ny hamerenana indray ny nata­on’ireo mpilalao tantara teo aloha. “Tsy nisy nanohy intsony ny seho an-tsehatra niarahana tamin-dry Vahandanitra, Clotilde, Clara… Tsy afaka ny hiandry ny hafa izahay ka noraisinay ny fanilo”, hoy ihany i Niravo.
Tsiahivina fa ho eny Arivo­ni­mamo izy ireo, ny alahady 28 avrily. Hitohy eny Manan­kasina Fenoarivo izany, ny 5 mey, arahin’ny any Ambohi­mandroso, ny 20 mey ary eny Lavahintsiny Anosiala, ny 26 mey izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: