TARATRY ny KANTO

Hiompana amin’ny asan’ny mpanoratra ny velakevitra ao amin’ny « Tokotany be », anio. « Ny mpanoratra sy ny asa sorany: fanainga enti-mampandroso ny fiarahamonina », ny lohahevitra hisarihan’i Riambola Mitia ireo hanatrika izany, amin’ny 10 ora maraina. Hanaraka aorian’izay ny atrikasa hataon’ny « Opération Bokiko », sy ny « Ndao hamaky boky ».
« Ny fiainan’ny Malagasy ». Io ny lohahevitry ny fampirantiana zavakanto faobe, izay hanomboka anio 19 avrily hatramin’ny 5 mey izao, etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Hataon’ireo mpianatra amin’ny liseam-panjakana eto Antananarivo izany, hanehoan’izy ireo ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy, arahina atrikasa sy velakevitra izany.
“Slam session”, atao anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, io hetsika kolontsaina io. Mikara­ka­ra izany ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM), mi­araka amin’ny « Madagaslam section Tananarive ». Hanome­zana sehatra ny tanora malagasy manan-talenta amin’ny fiantsana tononkalo amin’ny endrika slam. Tafiditra ao anatin’ny « Zoma finaritra IKM ».
Famokarana horonantsary miaina. Aseho etsy amin’ny IKM Antsahavola, ny sabotsy izao amin’ny roa ora tolakandro, ny horonantsary miaina “Ravaokinina Kavin’ ila”. Anisan’ny sary miaina “vokatra malagasy” vaovao be izy io. Nosoratan’i Alain Godin. Nanao ny sary sy fanetsehana kosa i Lovasoa Thers ary notontosain’i Be­ma­so. Tsy fahita firy loatra ny fanomezana lanja ny sarimiaina tahaka izao, raha ho an’i Madagasikara manokana.

Partager sur: