Rock: hisehatra ao Antsahamanitra ny tarika Kiaka

Niorina ny taona 1986 ny tarika Kiaka. Anisan’ny tarika sangany eo amin’ny lafiny mo­zika rock sy mavesatra. Hi­famotoana amin’ny mpankafy azy ny tarika amin’ny alahady 5 mey ho avy izao, amin’ny 2 ora sy sasany. Mpanohana mivantana ny hetsika ny Airtel Madagasikara. Tsy ataon’ity orinasa ity ambanin-javatra ny lafiny kolontsaina, satria tsapan’izy ireo ny lanjan’ny indostrian’ny kolontsaina eo amin’ny fiarahamonina.
Mifanandrify amin’ny sehatra sahanin’ny Airtel Madagasikara ny fifandraisan-davitra, izay efa tafiditra ao anatin’ny andavanandron’ny mponina. Mifameno amin’ny fifandraisana amin’ny mpanakanto sy ny mpankafy koa izany. Nilaza Ramiandrarivo Jimmy, talen’ny serasera Airtel Madagasikara, fa « omenay lanja lehibe ny indostria ara-kolontsaina efa an-taona maro izao. Satria mampiroborobo ny fahaiza-manao, maneho ny talenta sy ny famoronana. Mendrika tohana ny mpanakanto, ka tsy mahagaga raha nahasarika anay ny tarika Kiaka ».
Hampiseho indray ny fahaizany sy hanome fahafaham-po ny mpankafy rock ny tarika Kiaka amin’ity fotoana ity. Ahitana an’i Nini (mpihira), Johnny sy Deba (gitara maranitra), Josh (gitara beso), Daddi (Clavier) ary Jojo (amponga maroanaka). Miisa fito ny rakikira efa navoakany, ka ho entiny an-tsehatra indray amin’ity fotoana ity.

Njaka A.

Partager sur: