TARATRY ny KANTO

“Tokotany be”, hifarana anio. Vakodrazana nataon-dry Rakoto Frah Junior sy seho nataon’i L Jo no namarana ny andro faharoa, omaly. Hiompana amin’ny literatiora sy ny boky kosa ireo atrikasa hifandimby, amin’ny andro farany, anio. Hamarana ny fotoana amin’ity hetsika hanasongadinana ny indostrian’ny kolontsaina ity kosa ny seho hataon’ i Njara Marcel.
“Am-pitiavana be” etsy Antsahamanitra. Rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay fampisehoana goavana. Iarahana amin’i Samoela, Raboussa ary ry Krutambull. Samy hanana ny anjarany ny tarika 3 tonta. Hisy ihany ampaham-potoana hisian’ny fampiaraham-peo eny an-tsehatra.
Manomboka mahazo vahana fatratra ny tontolon’ny « zava-panahy », ao anatin’ny tambajotran-tserasera. Samy maneho ny fahaizany. Samy te hilaza amin’ny mpamaky fa mahafehy ny ataony, sns. Tsy vitsy amin’ny Malagasy no voasarika amin’ireny. Io tontolo ara-panahy io rahateo no anisan’ny nanavanana ny Malagasy sy nanankinany ny fiainany ankapobeny.
Fahakingan-tanana mampitolagaga! Hotan­terahina ao amin’ny Alliance fraçaise Antananarivo (AFT) Andavamamba ilay fampisehoana « Destination Magie » II. Ireo tanora mivondrona ao amin’ny Magic Squad Madagascar no haneho ny talentany amin’io fotoana io. Anisan’ireny i Stephano, Safidy Orts, Mahefa, Ricky ary i ArtNow.

Partager sur: