Aretina vokatry ny loto: mirongatra ny lagaly, mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana

Nahitam-piakarany ny tahan’ny olo­na voan’ny aretina lagaly tao ana­tin’ny roa tao­na izay, raha ny zava-misy eny anivon’ny toeram-pitsaboana nanaovana fanadihadiana. Mampalahelo fa heverin’ny ankamaroan’ny olona fa aretin-koditra vo­katry ny tsy fahazakana sakafo na aretin’aty izy io.

Nahitana fitomboana ny trangan’aretina lagaly amin’izao fotoana izao. Taloha nahalana be ny fahitana olona voan’izy io. Raha toa ka manodidina ny 10 hatramin’ny 15 isan’andro eo kosa ireo olona tonga manatona mpitsabo vokatr’izany, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny toeram-pitsaboana iray tetsy 67ha, nanaovana fanadihadiana. Vanim-potoana tena mampirongatra azy io ny fotoanan’ny fahavaratra sy ny hafanana. “Velona sy mahazo aina kokoa ary mitombo haingana be ny katsetsitra amin’ny hafanana ka antony mampirongatra azy io”, hoy ny mpitsabo, Dr Rakotonindrina Nor­bert. Aretin-koditra mahazo ny olon-drehetra ary tsy mifidy taona ny lagaly. Azo avy amin’ny katsetsitra,”parasite”, fa tsy otrikaretina izy io, ary azo avy amin’ny loto. Tena tian’ny aretina, ny hoditra, ny faritry ny elakelan’ny rantsan-tanana, ny lanton-tanana, ny faritra mahalehilahy, ny nono ary any amin’ny fitombenana. Tsy mba ahitana io aretina io kosa ny tarehy, izay anisan’ny hahafantarana sy mampiavaka ny lagaly amin’ny aretin-koditra hafa. Ankoatra izay, areti-mifindra haingana be ihany koa ny lagaly. Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana, ny fitafiana, ny fitaovana isan-karazany nokasihin’ny olona mitondra ny aretina. Toy ny seza, latabatra, tohatra…
Toy izao ny fisehon’ny aretina. Mangidihidy somary misy rano miangona kely eo amin’ny lohany ary vaky izany ka miteraka hidihidy mafy eo amin’ny hoditry ny olona iray. Miparitaka haingana izany ary feno mibontana kely avokoa ny hoditra, indrindra rehefa voakitika na rehefa mihaotra ny olona iray.
Amin’ny ankapobeny, tsy mahafantatra ny aretina ny ankamaroan’ny olona fa mihevitra izany ho aretina mangidihidy vokatry ny tsy fahazakana sakafo na farasisa ihany koa. “Olona iray ao an-trano ihany no voan’ny mangidihidy ary tsy mifindra amin’ny hafa, izay no atao hoe allergies na aretin-koditra vokatry ny tsy fahazakana sakafo”, hoy ha­trany ny mpitsabo. Nilaza izy fa lagaly ny mahazo ny olona raha toa ka olona roa no mihoatra no mangidihidy ao an-tokantrano.

Misy fahasarotany ny lagaly ho an’ny ankizy tsy ampy sakafo
Mangidihidy tsotra fotsiny ary lasa mivadika maratra ny lagaly raha voakitika. Mety hisy fahasarotany ny aretina raha tsy voatsabo haingana. Indrindra ho an’ny ankizy tsy ampy sakafo na marefo sy ny olona any am-pigadrana, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany.
Ankoatra izay, mety ho voan’ny lagaly ihany koa ny olona mandro sy midio isan’andro. Antony mahatonga izany ny fahazoana ny aretina amin’ny alalan’ny fifampikasohana amin’ny olona marary. Tany am-pianarana, tany am-piasana, anaty fiara fitateram-bahoaka,…mety hisy avokoa Tsy mitovy amin’ny lagaly tsotra ny fisehony fa somary memamena be ary mangidihidy be ihany koa.

Azo tsaboina tsara ny lagaly

Azo tsaboina 100% ny aretina satria efa misy fanafody manokana hiadiana amin’izany.
Mba hisorohana amin’ny fahatongavan’ny aretina, ilaina ny fanaovana madio isan’andro, misasa amin’ny rano sy savony. Sasana tsara, atapy amin’ny masoandro ary pasohana amin’ny fera mahamay tsara avy eo ny lamba sy ny akanjo rehetra ao an-trano. Toy izay ihany koa ny fitaovana hifampikasohana rehetra ao an-tokantrano, mba hialan’ny aretina nipetaka taminy. Entanina ihany koa ny tsirairay hampiasa rano azo antoka, hanaja ny fahadiovana, ary hamonjy tobim-pahasalamana raha misy tranga tsy fahasalamana mampiahiahy.
Antony hafa mahatonga ny aretina lagaly ny tsy fahadiovana eo amin’ny olona. Ahitana betsaka io aretina io ny eto Antananarivo satria feno fako sy rano maloto miparitaka avokoa ny toerana rehetra manodidina an’Antananarivo ka antony mampirongatra ny aretina, raha ny fanazavana voaray hatrany. Raha natao hivoahan’ny ranon’orana avy any amin’ny tafontrano fotsiny ny tatatra eny anelakela-trano rehetra taloha. Ankehitriny, lasa ataon’ny tokantrano sasany fanariana rano maloto avy any amin’ny toeram-pivoahana sy trano fidiovana izany, raha ny zava-misy. Tsy eny amin’ny tatatra eny anelakelan-trano ihany izany fa efa ahitana izany ihany koa eny amin’ny arabe sasany. “Loto avokoa, araka izany, ny miparitaka, hany ka mampirongatra ny aretina”, hoy hatrany ny mpitsabo.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: