TARATRY ny KANTO

Miroborobo fatratra ny kabary! Anisan’ny tsikera mivaivay mahazo ity zavakanto sy kolontsaina malagasy ity ny toeran’ny vehivavy manoloana ny fahafahana mika­bary. Tahaka izany koa ny fahalalahana iainan’ny kabary sy ny mpikabary ankehitriny. Fahiny, ny lehilahy efa mipi-bolo no mikabary. Ankehitriny, ireo tanora vao erotrerony no manao « mpitovo mananatra ny manana ». Rehefa tsy hanao ireo lehilahy efa roa volo, aleo anao­van’ny tanora azy, hoy ny hafa !
Na dia mbola vitsy mpahay aza… Manomboka liana sy mahafantatra ny lanjan’ny fianarana mozika ny tanora ankehitriny. Tsikaritra ho mitombo tsikelikely ny mianatra mihira, mitendry zavamaneno, mandrindra hira, mandrindra ny eny an-tsehatra, sns. Mbola vitsy ihany ny fianarana azy ireny, raha ny eto Madagasikara. Tsy mahasakana ny tanora mifanakalo fahaizana sy fahalalana akory izany.
Tsy azo atao tery vay manta! Ny zanaka mpanakanto (mpihira, mpanao sary, mpanoratra, mpilalao tantara, mpitendry zavamaneno…), tsy voatery ho mpanakanto avokoa. Manomboka misongadina ankehitriny ny fitohizan’ny talenta eo amin’ny zanak’olombelona. Tsy midika akory izany fa « tsy maintsy » ho mpanakanto ny zanaka mpanakanto. Mety ho ny taranaka lavitra aty aoriana, na mety ho tsy hisy mihitsy aza angamba!
Maro amin’ireo lazaina ho tompona sanganasa no mbola velona. Ny mahavariana amin’ny sasany amin’ ireny, tsy miloa-bava manoloana ny fanimbazimbana na fanovana ataon’ireo mpamerina aty aoriana. Raha tsy
eo intsony aza ny tena tompon’ny sanganasa, vitsy dia vitsy amin’ny taranak’ireny mpanakanto mpamorona ireny no manana fahasahiana miteny ireo «manao ny tsy mety»!

Partager sur: