Fanapahan-doha: sorona sy fanakorontanana

Trangam-piarahamonina mampivarahontsana ny maha­ka­sika ny fanapahan-doha olona tao atsimon’ny Nosy. Voa­ma­rina fa misy ny mpanao  sorona. Misy ny fanakorontanana. Toy ny re­saka taolam-paty, tsy hita mazava anefa ny tena “Deba”. Fanadi­hadiana.

Nirongatra ny fanapahan-doha tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nifanindran-dalana tamin’ny halatra voamaso sy ny famonoana zaza varira izany. Nisy ny fidinana ifotony nanaovana fanadihadiana lalina mahakasika izany, ny volana desambra 2023 sy ny volana avrily 2024. Nivoitra tamin’ny fidi­nana ifotony fa antony roa no mahatonga ny fanapahan-doha olona ataon’ny olon-dratsy. Voalohany ny finoanoam-poana sy ny fikatsa­hana harena amin’ny resaka vato. Iaraha-mahalala fa faritra anisan’ny manan-karena
amin’ny harena an-kibon’ny tany ny ao atsimon’ny Nosy. Anisan’ny mampiavaka ny faritra ny karazam-bato in­dostrialy, ny volamena ary ny safira. Mahakasika ny famakiana toeram-pitrandrahana vaovao na fikatsahana vokatra haingana no manosika ny olon-dratsy sasany nilomay namono olona sy nanapa-tenda. Nanamafy izay rahateo ny minisitra delege misahana ny zandarimaria, fony izy mbola lehiben’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny fitsidihana na­taony tany Ihorombe, ny taona 2023. Mbola manamafy izay rahateo ny eo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary, nanaovana  fanadihadiana
ny zoma 12 avrily 2024 teo. Toraka izany ny mponina ao amin’ny kaominina Andiolava, nohadihadiana ny alahady
18 avrily 2024. Samy nana­mafy izy ireo fa: “misy ny fi­noanoam-poana, misy ny voafitaka”.
Ho an’ny eo amin’ny kaominina Ranohira, nisy ny trangana fanapahan-tenda miisa efatra tamin’ny taona-dasa. Nilaza ny ben’ny Tanàna, An­dria­mampiandra Mionjo, fa : “tsy fantatra mazava ny antony hanaovana ny asa ratsy”. Ho azy dia ireo mpaka voamaso ihany no manapa-doha. “Tsy te hisahirana amin’ny fakana izany izy ireo, aleony ilay
lohany mihitsy no entina any amin’izay mpila izany”, hoy izy. “Amidy ny lohan’olona, raha ny fahenoako azy. Tsy hay anefa hoe atao inona izany. Misy mpividy, hono”, hoy kosa i Jeanne, tovovavy mponina ao Ranohira. Nanamafy izy fa efa nisy tranga telo farafahakeliny nitranga tao an-drenivohitry ny kaominina.

Fanakorontanana

Antony faharoa, voalaza
fa mahatonga ny fanapahan-doha ny fanakorontanana. Nifanojo tamin’ny fotoam-pifidianana rahateo ny mahaka­sika ny fanapahan-tenda. Ni­laza ny zandarimaria avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra, tarihin’ny kolonely Randri­anarisoa Mijoro, sy ny kapi­teny Velotsaotsy, nanaovana fanadihadiana fa: “Mila mitandrina amin’io resaka io satria misy ny olona mivoy ho fanakorontanana fotsiny. Tsy hita mazava ny antony ampiasana izany. Efa misy ny olona no­samborina sy naiditra am-ponja. Saingy tsy manonona mazava izay tena mpikotrika izany izy ireo. Toy ny amin’ny resaka taolam-paty hatrany dia alaina ilay lohan’olona, avy eo tsy hita hoe mankaiza”, hoy izy ireo.

Anisan’ny vavolombelona nanatri-maso ny fahitana
razana roa lahy tsy nisy lo­hany, niaraka tamin’ny zan­dary i “Frera”, tovolahy monina ao Ranohira. “Raha ny zava-misy aty an-toerana dia tsy mazava ny antony tena hakana ilay lohan’olona sy hanapahana ny tendany. Fa raha ny fahafantarako azy dia resaka fanakorontanana fotsiny ihany io. Marina fa misy ny fitran­drahana vato sy safira fa tsy mbola voaporofo izany”, hoy hatrany izy.
Ny eo anivon’ny fampanoavana ihany koa dia tsy afaka namoaka mazava ny antony mahatonga ny fanapahana lohan’olona any an-toerana. “Azo heverina ho izay fanakorontanana izay no ao ambadik’io”, hoy ny tomponandraikitra. Marihina fa antontan-taratasin’ady miisa 50 no nokirakirain’ny fampanoavana ao Ihosy, ny taona 2023, raha mahakasika ny famonoana olona ka tafiditra anatin’izany ny fanapahan-doha. Tao anatin’ny telovolana voalohan’ny taona 2024 dia nisy antontan-taratasin’ady momba ny vono olona miisa 25 tonga tao amin’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany.

Fomba fanao hafahafa

Amina miliara ny “sera” maloto

Efa hatrany amin’ny taona 2020, nisian’ny valanaretina Covid 19, no nirongatra ny vono olona tany atsimon’ny Nosy. Niantomboka tamin’ny fakana voamaso sy fakana an-keriny zaza varira izany. Niompana hatrany amin’ny resaka finoanoam-poana no antony, araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Tany Amin’ny faritra Anosy sy Androy no niantombohany: Beloha, Amboasary, Ambovombe, Ampanihy Andrefana, hatrany Toliara tampon-tanàna. Rehefa nihenjana ny fisamborana
nataon’ny mpitandro filaminana dia nikisaka tao amin’ny faritra Menabe ihany koa ny fakana an-keriny olona arahana fanapahana tenda. Niverina tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana indray izany, saingy taty amin’ny tapany avaratra, mifanolobodirindrina amin’i Menabe. Tao Beroroha indray no lasibatra, araka ny vaovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Nidina tany Ihosy amin’izay, ary teo no anisan’ny nahoraka ka nahavaky Amba­tolampy ity karazan-keloka be vava iray ity. Tao amin’ity distrika ity no nahalalana ny fomba fanaon’ny olon-dratsy sy ny tambajotra mpikononkonona azy. Niverina any Betroka sy ny faritra Anosy indray, ankehitriny. Miezaka ny mifehy ny tranga sy ny fiparitahan’ny vaovao ny mpitandro filaminana tsy hanome
vahana ny olon-dratsy sy ny mety hampirongatra indray ny trangam-piarahamonina. Mitandrina rahateo ny tomponandraikitra nanontaniana.
Mampananosarotra ny ady, amin’ny fisamborana ny tena tompon’antoka, ny fisian’ny mpanelanelana marobe toy ny trafikana taolam-paty, hoy ny eo anivon’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena Ihorombe. “Misy olona mpanam-bola be (hono) io dia tsy fantatra mihitsy. Ao ambaniny dia misy olona tena itokisany ary io no irahany mba hitady lohan’olona amin’ny vidiny amina miliara. Mbola mitady mpanelanelana iray izay
ka efa mampidina ny karama, ka mitazona ny ampaham-bola. Toy izany hatrany mandra-pahatonga any amin’ny olon-tsotra irahana mamono olona sy maka loha izay voakarama 1 000 000 Ar monja.”, hoy ny fanazavana. “Matetika anefa, rehefa vita ny vono olona, tsy misy maka akory izany. Ireo mpanera sady mpaniraka dia manomboka mamono finday. Rehefa tsy azo antso izy ireo dia tsy maintsy arian-dry zalahy ny fatin’olona. Izy ireo tsy mahalala akory izay tena atidoha. Matetika izy ireny no tratra sy
mizaka ny heloka satria tsy mahalala akory ny mpaniraka sy ny ampiasana ny entana. Voafatotr’ilay volakely noraisina karazana vodiondrim-barotra”, hoy ny fanazavana voaangona.

Volabe

Ireo mpanelanela amin’ny mpaniraka no tena mahazo tombony amin’ity raharaha hafahafa ity. “Efa nihatery ny lalana ho an’ny tambajotran’ny mpanao ity fanapahan-doha ity saingy rehefa nihananakaiky ny heverina fa atidoha izany dia misy foana ny tsindry sy ny fiarovana ataon’ny dahalo ambony lata­batra. Lasa manahirana ny zava-nisy, ny mpitandro filaminana tena manao ny asany an-kitsim-po indray no lasa manam-pahavalo teny amin’ny lehibeny sy ny fiarahamonina”, hoy ny loharanom-baovao iray nanontaniana. “Saro-pady ilay izy satria mitovy amin’ny resaka taolam-paty. Tena misy ny kaomandy, izany hoe, misy ny filana, misy ny tolotra fa ny fiafaran’izany no mbola misitery”, hoy hatrany izy namarana ny fifampizarany.

Matahotra sy mihorohoro ny mponina

Miteraka tahotra eo amin’ ny mponina ny zava-mitranga ankehitriny, any amin’ny fari­tra Ihorombe. Misy fiantraikany amin’ny famokarana izany, indrindra amin’ny tantsaha sy ny mpitran­draka harena an-kibon’ny tany izay anto-pivelomana fototry ny mponina. Fara fahatarany amin’ny dimy ora hariva, efa mihidy aman-trano ny ankamaroan’ny mponina any amin’ny kaominina Rano­hira. “Tsy fantatra mazava ny zava-misy marina. Matahotra fotsiny izahay vao maizina ny tanàna. Tsy hay intsony ny mpamono olona. Efa maho­raka fa izay lasa any dia
amidy ny lohany. Tsy sahy mijanona hariva any an-tsaha intsony, toraka izany, tsy sahy man­deha maraina ihany
koa. Tena mihena be ny fo­toana aha­fahana mamo­katra. Mainka hampitombo
ny tsy fandriampahalemana anefa ny fahantrana sy ny hanoanana. Mifa­ningotra
ny zava-drehetra ka tsy to­kony hatao ambanin-javatra”, hoy hatrany i Jeanne, tovo­vavy mpivarotra sady mpamboly.

Milaza ny ben’ny Tanà­nan’i Ranohira, Andriamam­piandry Mionjo, fa efa misy ny fandraisan’andraikitra ataon’ izy ireo amin’ ny famahana ny olana, miaraka amin’ny mpitandro filaminana. “Mila antoka ny mponina. Nisy ny fikaro­hana ny marina sy fanenjehana ny tompon’antoka. Misy ny voasambotra sy efa tratra ary izy ireny no milaza ny antony”, hoy izy.

Tsy ho voarebireby

Na eo aza ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro fi­laminana dia mitsipaka izany ny ben’ny Tanàna ao Ranohira satria tsy misy ny porofo mi­van­tana. Miparitaka rahateo ny vaovao fa izay avy mivarotra lohan’olona na voamason’ olona dia manam-bolabe, mividy tranovato, mahazo fiara raitra tsy mataho-dalana. Resy lahatra amin’ny fisian’izany ny mponina noho ny fahantrana ka misy ny roboka sy manely tsaho. Nilaza ity olom-boafidy ity fa hatramin’izao dia sahi­rana izy amin’ny fandresen-dahatra ny mponina mba tsy hinohino foana. Tsy ho voafi­taky ny mena miraviravy. Tranga roa niseho tao amin’ny kaominina no nanamarinany izany. Tsy misy sorona, tsy misy fa­nakorontanana izany. Misy olona manararaotra ny firongatr’ ilay trangam-piarahamonina fotsiny. Porofo ny fisian’ilay roa lahy natsipy teny Hazofotsy. “Olona avy nikarama izy ireo. Rehefa nahavita ny asany dia nikasa haka ny karamany. Ny mpampiasa azy ireo no naniraka olona nanapaka ny lohany. Nampifandraisina tamin’ilay tranga malaza ratsy fotsiny fa raha ny tena marina izany dia resaka famaliana volan’olona no tena zava-nisy marina. Efa vita rahateo ny fanadihadiana mahakasika izany. Efa naiditra am-ponja ny tompon’antoka, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Marihina fa hita tao an-tranon’ilay mpaniraka ny karapanondron’ny olona maty“, hoy ity ben’ny Tanàna ity.

Nanatontosa : Riana Raymond

Partager sur: