Hita faty tanaty hantsana : Infirmiera ao amin’ny HJRA nalaina an-keriny

Infirmiera tokony hiandry raharaha teny amin’ny HJRA ilay tovovavy nisy namono, nariana tanaty hantsana, teny Manjakavaradrano, afakomaly. Nalaina an-keriny sy nitakina vola 2 000 000 Ar ny ray aman-dreniny, izay niafara tamin’ny vono olona.

Ho tohin’ny fahitana razana tao anaty hantsana teny Manjakava­randrano, distrikan’ Ambohi­dratrimo, notaterina teto, omaly (pejy 2), dia fantatra izao fa infirimiera, tokony ho niandry raharaha tao amin’ny HJRA izy. Niala tao an-tranony, tokony hiasa ny sabotsy alina mifoha alahady izy. Tsy nody rahateo io infirmiera io ny alahady ka nanontany teny amin’ny hopitaly ny havany. Voamarina fa tsy nandalo teny izy.
Nanao fanambaram-pahaverezana teny amin’ny polisy ny ray aman-dreniny, izay miara-mipetraka aminy eny Ambodivona Ambohima­na­rina. Nandritra izany anefa, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, nisy nandefa hafatra ny fianakaviana tamin’ny findain’ilay tovovavy. Nitaky vola 2 000 000 Ar izy ireo ho takalonaina. Nametraka fitoriana teny amin’­ny Sampam-pikarohana he­loka bevava eny Fiadanana indray ny havany taorian’izay. Nivadika ho fakana an-keriny fa tsy fahaverezana tsotra ny raharaha.

Nofatorana

Taorian’ny fahitana ny razana afakomaly, ka niparitaka tamin’ny fampahalalam-baovao. Namonjy ny biraon’ny zandary teny Imerimandroso ny fianakaviana, omaly. Natao ny fanamarinana rehetra ka voaporofo fa ilay havan’izy ireo tokoa ilay nofo mangatsiaka hita. Natolotra azy ireo avy hatrany ny razana taorian’izay.
Tsiahivina fa hita faty tao anaty hadivory teny Ambohi­marina, fokontany Maroko­bobo, ny vatana mangatsiakany, afakomaly. Olona avy niasa hamonjy fodiana hariva no nahita zavatra hafahafa ka niantso mpitandro filaminana. Rehefa nofongarina dia nahitana razana nifatotra tongotra aman-tanana tao. Niampy tsindron’antsy teo amin’ny fony sy ny tendany izany.
Efa misokatra ny fanadihadiana, saingy nanohy ny asan’ny zandary ny polisy misahana ny heloka bevava ao Anosy, noho ny fianakaviana mipetraka an-tanàn-dehibe.

Mino

Partager sur: