Sehatry ny fandraharahana: lany filoha hitantanana ny FEAA i Samarthe Anny Corine

Taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitondran’ny mpitantana ny fikambananan’ny vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny Faritra Atsimo An­drefana (FEAA) teo aloha. Niroso tamin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao ny mpikambana. Lany nandritra izany i Samarthe Anny Corine, vehivavy 32 taona

Mpandraharaha iray tompon’ny orinasa Amara, misahana ny taovolo sy endrika, ny trano sy taozavatra vita amin’ny rafia mitondra ny marika Area i Samarthe Anny Corine. Mi­sahana ny orinasam-pianakaviana fanamboarana fanaka vita amin’ny hazo antsoina hoe Chrisme ihany koa. Mitantana trano fandraisam-bahiny sy fampisakafoana antsoina hoe Chris Espace ihany koa ny tenany. Mbola misahana sy misolo tena ny tendro GFEM any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ihany izy. “Mitaky fitiavana, fiaretana, faharetana, fahatokisan-tena ary fiavavahana ny zavatra atao, raha te hiditra eo amin’ny sehatry fandraharahana”, hoy izy.
Amin’ny maha filoha azy, nampanantena izy fa hampivoatra ny fikambanam-behivavy mpandraharaha mba hampahaleo-tena azy ireo. “Vo­nona ihany koa izy hanampy ny rehetra hitady vahaolana mifanaraka amin’ny toe-java-misy eo amin’ny tontolon’ny fandaharahana”, hoy izy. Mba hanairana ny mpisehatra ara-toekarena ao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana.
Faniriany mandritra ny fitantany ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny sehatry ny sosialy sy ny tontolo iainana. Mba hampahomby sy hampitobo ireo vehivavy mpandraharaha. Hamafisina, araka izany, ny firaisankinan’ny rehetra sy ny fametrahana lalan-tsaina mahakasika ny haivao sy ny haitao. Eo ihany koa ny fifanampiana sy fizarana traikefa , mba hampandroso ny rehetra.

Nanam-paniriana handraharaha fony mbola kely
Nanam-paniriana ho lehiben’ny tenany izy fony fahazaza. Indrindra tamin’ny nahalasa tompona hotely iray ny rainy taty aoriana, raha mpiasan’ny trano fisakafoana sy fandraisam-bahiny foana taloha. Fantany nandritra izany, fa miavaka ny tompona orinasa sy ny mpiasa ka antony nandrisika azy hirotsaka amin’ny sehatry ny fandraharahana, hoy ny fitantaran’i Nenette Petit Saleman, 32 taona. Sarotra ny lalana hidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana fa tanteraka ny faniriany noho ny fitahian’Andria­manitra. Taorian’ny fahazahoan’ny diplaoma bakalorea, nandalina fianarana momba ny fifandraisana sy fitsaboana izy. Nahatsiaro-tena fa very fotoana sy safidy izy tamin’
izany. Nanosika azy ny te ho lasa mpandraharaha ka nanaraka fiofana momba ny fitantanana taty aoriana. Nahita tolotra tao amin’ny tetikasa Pic, miompana amin’ny sehatry ny fizahantany antsoina hoe “salima beach” izy. Anisan’ ireo nahazo famatsiam-bola tamin’izany. Nentiny nanorina ny “fast food” atao hoe “salimar delice” izy taorian’izay. Ankoatra ny maha mpandraharaha azy dia mpampianatra ihany koa izy.
Tanjony ao anatin’ny dimy taona ny hanangana sekoly sy hanitatra ny fandraharahany. Misehatra eo amin’ny fiikarakarana lanonana mifandraika amin’ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny.

 

Tetikasa Hello women, hampiakarana ny tahan’ny vehivavy mpandraharaha

Ho fampiroboroboana ny vehivavy mpandrahara, mitondra ny anjara birikiny ny vondrona Orange, amin’ny alalan’ny tetikasa Hello women. Nahazo ny anjarany ny mpianatra vehivavy avy amin’ny ENI sy ny IES-T tany Toliara. Mpianatra aman-jatony nisitraka ny fanofanana mahakasika ny fomba famaliana tolotra asa. Nahatsapa ny teo anivon’ny Orange fa tsy ampy ny vehivavy misehatra amin’ny lafiny niomerika sy teknika ka anton’ny tetikasa. 11 % ny mpiasa vehivavy ao amin’ny vondrona orange ankehitriny. Ezahina hampiakarina ho 25 % izany. Tanjona ny hanofanana ny mpianatry oniversite hanaraka ny lalam-piofanana niomerika sy teknika.

Ny fikambanana FEAA
Niforona tamin’ny taona 2021 ny fikambanan’ny mpandraharaha vehivavy FEAA. Ahitana mpikambana sivy izy ireo amin’izao fotoana izao. Vinan’ny fikambanana ny hanampy sy hampirisika ary hampiroborobo ny vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny faritra. Tanjona kosa ny hanampiana ny mpikambana amin’ny sehatry ny famoronana tetikasa sy hanoroana ny lalana tokony haleha eo amin’ny fandraharahana, mba hananan’izy ireo fandrosoana maharitra. Manaraka izany koa, ny fanamafisana ny maha mpitantana sy tompon-kevitra azy ireo eo amin’ny tetikasa izay ataony. Eo ihany koa ny famoronana tambajotra sy hametrahana fiaraha-miombon’antoka matanjaka amin’ny mpitondra ifotony sy sy manerana ny Nosy.

Nanatontosa : CMS (Toliara)

.

Partager sur: