AFT Andavamamba: hiaka-tsehatra ny mpanao « Mazia » 

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antanana­rivo (AFT) Andavamamba, ny sabotsy 27 avrily 2024, ny « Destination Magie II », iarahana amin’ny Magic Squad Madagascar. Fampisehoana Mazia goavana indrindra eto Madagasikara, iarahana amin’ireo matihanina amin’izany sehatra izany izy ity. Miisa dimy ireo handray anjara amin’ity fampisehoana ity ary samy manana ny mampiavaka azy avokoa. Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo mpiangaly hakingana sy fidirana eo amin’ny sehatry ny matihanina kokoa. Tanjon’ny hetsika ny hampahafantatra bebe kokoa ity karazana fampisehoana ity ho an’ny daholobe.
Mbola tsy tena mahazo vahana ary maro ny mbola tsy mahafantatra ny mazia eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, sokajian’ny olona ho herin’ny maizina ny fampisehoana sy ny zava-miseho re­hetra mandritra ny fanatanterahana azy an-tsehatra. Hakin­gan-tanana sy fahaizana ma­nokana azo avy amin’ny fanomanana sy kotrana maro samihafa anefa izany, araka ny nambaran’ireo mpandray anjara. Hanafana ity hetsika ity ry Stephano, Safidy ORts, Mahe­fa, Ricky ary ArtNow.

Lin

Partager sur: