Fikarohana maro momba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy maro no efa voaangon’ireo raiamandreny teo aloha… Taona 1995, nanohy ny fanangonana sy nivelatra tamin’ny fampianarana azy ireny izy ireo niaraka tamina tanora vitsivitsy. Fijoroana ho ara-dalàna, nisalotra ny anarana Zanabaliha ireto mpikaroka sy mpampianatra ireto.
Taona 2026, fanamby lehibe no napetraky ny mpitantana vaovao. Iray amin’ireny ny fanamaroana isa ny toeram-pampianarana. Fantatra fa hisokatra tsy ho ela izany. Ireo fampianarana rehetra hita ao amin’ny Zanabaliha, ho hita ao amin’ity foibe vaovao ity avokoa: fampianarana zavamaneno tahaka ny valiha, ny tontolon’ny soratra, ny kabary, ny dihy ary ny tontolon’ny zavapanahy sy izay mifandraika amin’izany.
Nanamafy hatrany ny mpitantana ny foibe fikarohana sy fanabeazana sy ireo tomponandraikitra isaky ny taranja fa: « tsy misy firenena handroso amin’ny kolontsain’ny firenena hafa. Noho izany, mila ampahafantarina ny taranaka ny kolontsaina sy zavakanto malagasy mba hahafahany miaina ao anatin’izany ».
HaRy Razafindrakoto




