Minisitry ny fanajariana ny tany : nanolotra 6 lavitrisa Ariary mahery

Nitsidika ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, afakomaly. Nifampitaona sy nihaona tamin’ireo rehetra sy ny solontenan’ireo mponina nisitraka tombontsoa, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Mionjo”, tany an-toerana, izy. Nano­lotra vola 6 046 634 842 Ariary hanampiana ny kaominina maro, avy amin’ny distrika telo, ao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana, izy, nandritra izany. Nanolotra «Kits solaires» 80 isa ho an’ny kaominina hafa ihany koa. Natokana ampiasaina amin’ny karazana fotodrafitrasa maro samihafa sy ilain’ny vahoaka any an-toerana ireo vola ireo, raha ny fanazavana voaray.
“Hentitra ny fanaraha-ma­so ny fanatanterahana ny asa sy ny famoaham-bola hanatrarana ny tanjona”, hoy ny ben’ny Tanàna any an-toerana, nandray ny taratasim-bola.
Ankoatra izay, nitohy tany Morombe ny dian’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, taorian’io fihaonana io. Anisan’ny nitokana ny tsena vaovao vao natsangana, vita tamin’ny alalan’ny tetikasa “Mionjo” ihany koa izy tamin’izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasam-panjakana ny “Mionjo”. Izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Tanjona ny hanohanana sy hanarenana ny faritra Atsimo, raha ny fanazavana voaray hatrany.

CMS

Partager sur: