Fototry ny fanabeazana: mikojakoja ny saina sy ny fitadidiana eo amin’ny ankizy ny vaky boky

Raha oharina ta­min’ny folo taona lasa, hita ho niha narisika ny ankizy sy ny tanora ankehitriny amin’ny fa­makiana boky, araka ny fanadihadiana natao. Ani­san’ny tombontsoa azo avy amin’izany ny fikolokoloana ny saina sy ny fanitaram-pahalalana.

Fototra, manana ny lanjany lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana ny vaky boky. Antony iray nisafidianana ny boky ampiasaina sy anisan’ny fitaovam-pampianarana eny anivon’ny sekoly izany. Fitaovana iray tsy maintsy takina amin’ny mpianatra ny fananana ireny boky ireny eny an-tsekoly, mba hanampy sy hanamora ny fampitana fahalalana ho an’ny mpianatra. Ezaka tokony hatao ny fampirisihana ny ankizy ho tia mamaky boky dieny mbola kely. Manana anjara toerana lehibe ho an’ny fampirisihana ny rehetra ho tia vaky boky koa ny kolontsaina. Amin’ny alalan’ireo Malagasy mpanoratra rehetra. Manana anjara andraikitra goavana toy izany koa ny ray aman-dreny. Amin’ny alalan’ny fitaizana sy fanabeazana eo anivon’ny tokantrano. “Mila fitaratra sy manome ohatra azo tsapain-tanana izy ireo manoloana ny fampianarana ataony amin’ireo zanany, indrindra amin’ny famakiana boky”, hoy hatrany ny tomponandraikitra ara-barotra eo anivon’ny trano fivarotam-boky Antso, Rako­toarimanana Mijoro. Nilaza izy fa azo atao ny mitondra ny ankizy sy ny zanaka any amin’ny trano famakiam-boky raha toa ka tsy misy izany eo anivon’ny tokantrano.
Maro ny tombontsoa azon’ny olona iray amin’ny alalan’ny vaky boky. “Ahafahako manovo fahalalana maro samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy eto Madagasikara ny vaky boky nataoko”, hoy i Luc, tovolahy iray nanontaniana. Namba­rany fa anisan’ny manampy betsaka azy amin’ny fifehezana ny tsipelina sy ireo voambolana maro isan-karazany na amin’ny teny vahiny na amin’ny teny Malagasy ny boky. “Anisan’ny mikojakoja ny saina sy ny fitadidiana ny famakiana boky matetika, mampivelatra sy ahafantarana zavatra maro ihany koa izy io”, hoy kosa Razafimamonjy Feno, tomponandraikitra iray eo anivon’ny trano pirinty iray eto an-dRenivohitra. Ankoatra izay, manatsara ny fomba fanoratana sy ny fahaizana ireo tsipelina ary manamora amin’ny fahaizana mandrafitra fehezanteny, na amin’ny teny malagasy na vahiny ihany koa izany. Mampiala voly sy mampihena ny rarintsaina eo amin’ny olona iray ihany koa izany.
100 – 400 isan’andro eo ny mpianatra mamaky boky
Mpianatra 9 amin’ny 10 no tsy mahay mamaky sy tsy mahazo akory ny lahatsoratra fohy amin’ny teny frantsay natao ho an’ny ankizy 10 tao­na, raha ny fanadihadana nataon’ny Banky iraisam-pirenena, teo anelanelan’ny taona 2016 hatramin’ny 2021, mom­ba ny fari-pahaizan’ny mpianatra sy ny mpanabe. Fanta­tra tamin’izany fa mbola ma­nahirana ny ankizy ihany koa ny vakiteny amin’ny teny reny. Mitombo isa ny ankizy sy ny tanora mitsidika eny anivon’ny trano famakiam-boky, eto an-dRenivohitra, tamin’ity taona ity. Manodidina ny 100 – 400 isan’andro eo ireo mpianatra tonga mamaky boky eny anivon’ny trano famakiam-boky ankehitriny. Raha toa ka 50 isan’andro izany teo aloha sy tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra voaray tamin’ny trano famakiam-boky iray etsy Ana­lakely.  Mahasarika azy ireo, mandritra izany, ny boky fampianarana, fikarohana, mom­ba ny siansa, fitantanana ary ny tantara. Antony mandrisika azy ireo ny tsy fahampian’ny enti-manana hividianana boky izay tena ilaina amin’ny fianarana. « Lafo vidy ny boky, in­drindra mahakasika ny fianarana sy ny tantaran’i Mada­ga­sikara, ny fikarohana ary ny la­lam-piofanana isan-karazana ka antony tsy maharisika ny olona hividy », hoy i Ro­mual, mpivarotra boky. Ireo bo­ky tsy maintsy ilaina any an-tsekoly sisa no be mpanjifa eny anivon’ny tsena fivarotana izany.

Ahitana lalam-barotra ny boky fanabeazana

Mbola malalaka ny tsena fanontam-boky eto Madaga­sikara. Anisan’ny ahitana lalam-barotra matanjaka ny famoaham-boky mahakasika ny fanabeazana sy ny fitaizana, raha ny fanadihadiana natao. “Tena be mpanjifa sy ahitana lalam-barotra avo ireo boky natokana ho an’ny ankizy sy ny fampianarana, raha oharina amin’ny asa soratra samihafa eto Madagasikara. Anisan’izany, ny boky fampianarana sy ny fitaizana, ny boky fanadihadiana…”, hoy Razafimamonjy Feno, tomponandraikitra iray eo anivon’ny trano fanontana boky eto an-dRenivohitra. Nilaza izy fa somary ambany kosa ny tsenam-barotra ho an’ny boky momba ny tantara sy ny asa soratra. Ankoatra izay, maro mpitady ihany koa ny boky fitaizam-panahy, izay mampitombo ny fandrosoana ara-panahy ary hampielezana ny filazantsara misahana ny tontolon’ny maha olona. Mba hitaizana ny ara-batana sy ara-tsaina ary ny ara-panahin’ny olona manontolo.
Miara-miasa amin’ny mpanoratra ny trano printy amin’ny famoahana sy fanontana izany. Ny mpanoratra no manatona azy ireo na izy ireo no manatona ny mpanoratra. Raha toa ka misy asa soratra mahaliana sy mety ary mifanaraka amin’ny “ligne éditorial” eo amin’ny orinasan’izy ireo. Anisan’ny takin’izy ireo ny maha matihanina ny mpanoratra sy ny mpanao sary, mba hampatsara ny tsena eo amin’ny fivarotam-boky eto amin’ny Nosy. Manana anjara biriky hanentana sy hampirisika ny rehetra ho tia sy liana ary hamerina ny fitiavan’ny rehetra ny vaky boky ny trano fanontam-boky.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: