Heverina ho manatsara fiainana: mitondra vintana amin’ny fidiram-bola ny voninkazo felantanantsifoana

Samy manana ny anjara asany avokoa ny zava-boahary sy ny zavamaniry rehetra eto ambonin’ny tany. Anisan’ny voninkazo manambina sy mampidi-bola ho an’ny olona na tokantrano iray ny fambolena ny voninkazo antsoina hoe « felantanantsifoana ».

Voninkazo tena manan-danja eo amin’ny Mala­gasy ny voninkazo antsoina hoe : “ felantanantsifoana”. Anisan’ny mampiavaka azy amin’ny voninkazo hafa ny raviny somary voloina. Mamoa fotsy izy, saingy eo ho eo amin’ny indray mandeha na indroa isan-taona eo ihany. Ny raviny no tena haingony araka izany. Anisan’ny ma­nambina ara-bola ary tsy mahafoana ny eo am-pelantanana ny fitahirizana sy fambolena azy ao anivon’ny tokantrano, araka ny finoan’ny olona, raha ny fanadihadiana natao. «Anarany ny mitondra ny anjara asany eo amin’ny fiainan’ny olona anankiray, midika fa tsy tokony ho foana mihitsy ny vola eo am-pelantanana”, hoy i Ranja R, mpi­tsabo amin’ny alalan’ny raokandro sady mpivarotra izany etsy Petite vitesse. Nilaza izy fa anisan’ny voninkazo iray manan-kasina indrindra io satria mitahiry harena eo amin’ny zanak’olombelona. Tena ilain’ny rehetra ny mamboly felantanantsifoana, indrindra ho an’ireo olona vao mihary sy ireo manodim-bola. Manampy ny olona hanam-bola izy io ka antony maharisika ny ankamaroan’ny olona hamboly azy sy hanao azy ao an-tokantrano. Misy ny milaza fa anisan’ny manana vintana misintom-bola eo amin’ny olona io voninkazo iray io. “Sady mi­tondra soa ho an’ny mpianakavy no manaingo tanàna ihany koa ity karazam-boninkazo iray ity”, hoy i Norine, renim-pianakaviana iray, mpan­jifa sy mpitia voninkazo. Manampy betsaka ny olona handeha hiasa ny firesahana amin’ny voninkazo felantanantsifoana alohan’ny handehanana hiasa.

Mampitombo 20% ny fitadidiana ny voninkazo
Manan-danja eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay ny fikolokoloana sy fambolena zavamaniry, indrindra ny vo­ninkazo. “Anisan’ny ravaka sy haingo ho an’ny tokantrano izy ireny, miady amin’ny rarintsaina mety ahazo ny tsirairay ihany koa ny fametrahana azy ireny, indrindra ao amin’ny toeram-piasana”, hoy ny mpikarakara hetsika Tsenaben’ny zava-maniry tetsy Maha­masina, Rakotojaona Baho­lisoa. Mampitombo ny tahan’ny fitadidiana, 20%, ny fametrahana sy fambolena voninkazo ao amin’ny toeram-piasana, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka ara-tsiantifika.

Tsy manambina ny olona mamboly azy raha toa ka maina na maty ny voninkazo
«Tsy mifidy tompo ny felantanantsifoana fa mety sy manambina ny olon-drehetra, eny fa na ireo tsy ambinina voninkazo aza », hoy hatrany i Ranja R, mpivarotra raokandro etsy Petite vitesse. Ani­san’ny mamaritra ny toe-bola miditra eo anivon’ny tokantrano iray ny endriky ny raviny. Mandroso tsara ny asa fitadiavana, raha toa ka botabota tsara ny raviny. Mila manarina sady mitandrina kosa ny olona iray raha somary makina na maina tanteraka izany. Ma­mony haingana sy mitombo bebe kokoa izy io ho an’ny olona sasany, arakaraka ny vintan’ilay olona mamboly azy. “Tsy ambinina amin’ny fambolena felantanantsifoana ny olona iray raha toa ka maty na maina tanteraka izy io”, hoy hatrany ny mpivarotra raokandro etsy Petite vitesse. Tany masaka asiana fasika miharo tanimena na vatovato no mety hambolena ny felantanantsifoana.

Tsara hambolena miaraka ny felantanantsifoana lahy sy vavy

Ahitana lahy sy vavy ny voninkazo felantanantsifoana. Anisan’ny mahazatra sy fantatry ny maro ary be mpanjifa betsaka ny felantanantsifoana vavy, raha ny fanazavan’ny mpivarotra tetsy Anosy. “Tsara kokoa ny miara-mikolokolo sy mamboly ny felantanantsifoana lahy sy vavy mba hahazoana vokatra tsara eo amin’ny olona tsirairay”, hoy hatrany Bruno, mpivarotra voninkazo etsy Anosy.
« Kalanchoe Eriophylla » ny anaran’ny felantanantsifoana lahy ara-tsiantifika. Fantatra amin’ny raviny maramara manopy volontsokola na volondavenona ity voninkazo iray ity. Ankoatra izay, misy karazany somary manopy fotsy ihany koa. « Kalanchoe tomentosa »  ny anarana siantsifika fiantso ny felantanantsifoana vavy. Antsoin’ny olona hoe felantanantsifoana vazaha izy io amin’ny ankapobeny. Miavaka amin’ny raviny maitso sy ny voniny mena izy io. Maitso ny raviny raha atao amin’ny aloka izy fa misy sisiny mena tsara kosa izy rehefa mahazo masoandro.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: