Fanabeazana ara-politika : ambany ny tahan’ny vehivavy manao politika eto Madagasikara

Mbola ambany ny tahan’ny vehivavy mandray andraikitra amin’ny lafiny fitantanana ny ra­hahara politika eto Madagasikara, raha oharina amin’ ny lehilahy. Hita ho niakatra kely kosa izany tato anatin’ ny 10 taona lasa. Mbola mijanona ho ambany ihany iza­ny, raha ny zava-misy an­kehi­triny.

Manodidina ny 6 hatramin’ny 9% eo ny ta­ham-pandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny sehatry ny politika eto Mada­ga­sikara, amin’ny ankapobeny. 17% ny vehivavy solombavambahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena. 33% ny vehivavy mpikambana ao anatin’ny Governemanta. 2 ny vehivavy governora, amin’ireo 23 misy eto Madagasikara. 11% ny vehivavy loholona amin’izao fotoana izao. Tamin’ny Repoblika voalohany, iray ihany ny vehivavy solombavambahoaka. Tsy nihoatra ny 10% kosa ireo vehivavy mpikambana tao amin’ny Antenimieram­pire­nena, tany amin’ny 10 taona lasa, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Conseil na­tional des femmes Malgaches (CNFM). “Tokony hiakatra foana ny tahan’ny vehivavy misehatra amin’ny fanaovana politika. Tsy izay anefa ny zava-misy satria tsy marim-pototra sy tsy mahazo vahana ny fanomezan-toerana ny vehivavy eto Madagasikara ka antony mahatonga izany”, hoy ny filohan’ny CNFM, Andria­masy Estelle, nanaovana fanadihadiana.

Maro ny antony mahalatsaka izay taha izay. Antony voalohany ny fanajana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao eto Mada­gasi­kara. “Mbola maro ireo faritra sy toerana eto amin’ny Nosy manaja ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina eo aminy. Misy ihany koa ny mametraka ny maha samihafa ny toeran’ny lahy sy vavy eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy hatrany ny filohan’ny CNFM, Andriamasy Estelle. Raha jerena ny fomban’ny Ntaolo fahiny, natokana hikarakara tokantrano ny anjara toeran’ny vehivavy. Miandry sy manomana ny fanambadiana izy ireny, miteraka ary mikarakara ny ankizy ao anivon’ny tokantrano ihany koa. Ny lehilahy kosa natokana hiandraikitra ny ivelan’ny tokantrano sy ny eny anivon’ny fiarahamonina. Mbola hita sy tsapa izany zava-misy izany amin’izao fotoana izao, indrindra ny any ambanivohitra sy any amin’ny faritra, eto Madagasikara.
Latsa-danja ny fahaizana sy ny fananan’ny vehivavy anto-bola
60% ny mponina mihitsy no manaiky fa ny lehilahy no havanana kokoa amin’ny fi­tondrana sy ny fitantanana ny raharaham-pirenena, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2018, teto Antana­narivo. Ilaina ny fanovana ny toe-tsaina eo amin’ny rehetra raha tiana ny hampiakatra ny tahan’ny vehivavy mandray andraikitra eo amin’ny politika. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 55,8% ny vehivavy, eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 49 taona, any amin’ny faritra Menabe, raha ny tatitra tombana momba ny miralenta nataon’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ity taona 2024 ity. 26,9% kosa ny taha ho an’ny lehilahy. Mahatratra 80% ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ho an’ny tanora lahy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 24 taona, ankehitriny. Manodidina ny 72% kosa izany ho an’ny tanora vavy. Miova be anefa ireo isa ireo eo amin’ny tanàna an-drenivohitra sy ny manodidina azy.
Ankoatra izay, manakana ny vehivavy hisehatra amin’ny politika ihany koa ny lafiny ara-toekarena. Iaraha-mahalala fa mila vola ary tsy maintsy mandoa saram-pirotsahan-kofidina ny olona iray vao afaka hiroso amin’ny andraikitra ara-politika, indrindra amin’ny filatsahan-kofidina. Avo dia avo izany, izay mahatratra 2 000 000 Ar ho an’ny fifidianana solombavambahoaka manokana amin’ity taona ity. “Ambany ny lafiny ara-toekaren’ny vehivavy raha oharina amin’ny lehilahy ka tsy manana fahefana handoa izany izy ireny”, hoy hatrany ny filohan’ny CNFM. Antony fahefatra ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny fanabeazana ara-politika ho an’ny olona eto amin’ny firenena. Ankoatra izay, olana eto ihany koa ny fahavitsian’ny antoko politika manolotra sy mampiditra vehivavy hirotsaka hofidina. Matetika ilay antoko mihitsy no tsy mamela ilay vehivavy milatsaka fa aleon’izy ireo mameno anaran-dehilahy ao anaty lisitra.

Afaka manao politika ny rehetra

“Zavatra tsara sy manasoa ny besinimaro ny fanaovana politika ka tokony ho azon’ny tsirairay atao, na ho an’ny lehilahy izany na ho an’ny vehivavy”, hoy ny filohan’ny CNFM, Andriamasy Estelle. Tsy manana endrika tsara loatra ny politika eto amin’ny firenena noho ny fomba fanaon’ireo mpitantana nifandimby hatramin’izay. Nambarany fa lasa mampihemotra ny vehivavy izany zava-misy izany. Misy ny mihevitra fa zavatra somary henjana sy anjakan’ny kolikoly ny fanaovana politika. Nohamafisiny hatrany fa azo atao tsara ny mandresy ireo sakana ireo raha misy ny fanabeazana ara-politika. “Tsy voatery ho raharaha maloto na ady ny politika fa afaka atao tsara ny manao politika amin’ny fomba madio sy miavaka”, hoy hatrany izy nanamafy. Tokony hampianarina ny vahoaka ny kolontsaina ara-politika, mba hampirisihina ny tanora hiroso sy handray anjara amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara.

Manofana ireo vehivavy te hilatsaka hofidina ny CNFM
Ho an’ny CNFM manokana, anjara birikin’izy ireo ny manabe, manentana ary mampahafantatra ny tanora fa afaka mandray andraikitra ara-politika izy ireo. Tafiditra indrindra ao anatin’izany, ny fampahafantarana fa manana zo feno izy ireo. Manamafy ny traikefan’ny vehivavy misehatra eo anivon’ny politika ihany koa izy ireo. Amin’ny alalan’ny fampiofanana, indrindra ho an’ireo te hilatsa-kofidina. Anisan’izany, ny fivelarana eo amin’ny maha olona, ny fahaizana miteny imasom-bahoaka, ny fitandroana ny fanaovana fampielezan-kevitra, ny fifandraisana amin’ny olona ary ny fanatanterahana tetikasa…
Niaraha-nidinika izany tamin’ny taona 2022 teo anivon’ny Antenimierampirenena.

Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison

Partager sur: