Fanatsarana ny tontolo iainana : miaro ny loharano ny fanodinana ny menaka vidange ho lasa angovo

Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny ala ny fampiasana ny ari­na fandrehitra sy ny kitay. Miha mi­tombo, ara­ka iza­ny, ny olon-tsotra sy fikambanana ma­­­mokatra fa­tana ekolojika, amin’ izao. Anisan’ izany ny fatana vita amin’ ny menaka vidange.

Mbola manan-danja eo amin’ny Malagasy ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay hatramin’izao. 81% ny tokantrano eto an-dRenivohitra sy any Am­ba­nivohitra no nampiasa izany, araka ny fanadihadiana nataon’ny Birao nasionaly momba ny antontanisa (Instat), tamin’ ny novambra 2003. Tena be mpampiasa indrindra, na ambanivohitra na an-drenivohitra ny fatana saribao. Mividy arina antsinjarany ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao satria niakatra ny vidin’ny iray gony. Afaka mividy izany amin’ny gony kosa ireo olona mandray karama isam-bolana na dia efa nahitam-piakarany aza ny vidiny eny anivon’ny mpivarotra mpaninjara. Manodidina ny 32 000 hatramin’ny 50 000 Ariary eo ny vidin’ny iray gony 250 kg, arakaraka ny kalitaony.
Manoloana izany, efa maro ny olon-tsotra sy fikambanana mamokatra fatana na arina manaja ny tontolo iainana ankehitriny. Mampiasa sy manodina ireo akora ratsy ho lasa akora vaovao azo averina ampiasaina indray. Mbola tsy fahita firy eto Mada­gasikara kosa ny fanamboarana fatana vita amin’ny menaka vidange. Anisan’ny manao sy mamokatra izany ny fikambanana “Beau gosse en action”, etsy Anosibe Ivola­niray. Arian’ny mpiasa eny anivon’ny ivontoerana mpanamboatra fiara sy kodiaran-droa fotsiny ny menaka vidange, raha ny zava-misy. Mety manao lavaka kely ao akaikin’ny toeram-piasana ihany koa izy ireny ka ao ny toerana hanariany izany, araka ny fandinihana nataon’ity fikambanana ity. “Lasa mivarina any amin’ny lavadrano avokoa ny ankamaroan’ireny menaka ratsy miparitaka sy verivery ireny”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana, Randria­mandroso Feno­ha­sina Derick. Nihady lavaka iray mba ha­naovana lavadrano kely tany amin’ny toeran-kafa nanalavitra io toerana fanamboarana fiara io izahay taty aoriana. “Rehefa nojerena anefa ny tao anatiny, nahitana petrol sy fofona menaka vidange tao anatin’izany”, hoy hatrany izy. Nambarany fa nanomboka teo, tapakevitra ny hitrandraka izany izy ireo ka antony namokarany ity fatana vidange ity. Tanjona ny hampihenana ny loto sy ireo menaka ratsy mi­paritaka sy very fotsiny. Eo koa ny hamokarana akora va­o­vao azo ampiasaina in­dray, amin’ny alalan’ireo ako­ra heverin’ny olona fa efa ratsy sy tsy misy dikany intsony.

Azo andrahoana sakafo sy hanempoana tara
Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ity fatana vidange ity. Azo andrahoana sakafo, ho an’ny olombelona sy sakafom-biby izy. Azon’ny mpanao lalana sy mpanatsonika tara ampiasaina ihany koa, ary efa misy ny mpanjifa izany. « Rehefa tsy arian’ny mpanamboatra fiara eny rehetra eny intsony ny menaka vidange dia tsy haloto intsony ny “nappe phréatique”, izay mamatsy lavadrano sy loharano misy rano fisotro ho an’ny olona », hoy hatrany izy. Mihena ary foana ny fanapahana hazo eto amin’ny Nosy. Nilaza izy fa tsy mila manapaka hazo hanaovana afo sy hanempoana ny tara intsony ny mpanamboatra lalana fa efa voasolon’ny fatana sy menaka vidange avokoa izany rehetra izany. Ankoatra izay, mitsitsy sy mampihena ny fandaniana eo anivon’ny tokantrano sy ny orinasa tsirairay koa ny fampiasana ity fatana ity. Nambarany fa mahavita ampiasaina mandritra ny dimy andro, ho an’ny tokantrano iray, ny menaka iray litatra. Tsy misy fiantraikany amin’ny sakafo andrahoana ary tsy misy fofon’akora ampiasaina mihitsy ny sakafo andrahoana aminy. Maharitra eo amin’ny telo taona ny faharetan’ny fatana ampiasana amin’ny menaka vidange raha toa ka hain’ny olona ny mikojakoja azy.

*

Mavesatra ny vidin’ny vokatra

Manodidina ny 40 000 hatramin’ny 60 000 Ariary ny vidin’ ny fatana mandeha amin’ny menaka vidange amin’ny ankapobeny. “Somary mavesatra ny vidin’ny fatana, fa mampilamina ny tokantrano kosa ny fampiasana azy ity”, hoy ny renim-pianakaviana iray nanontaniana. Antony mahatonga ny vokatra lafo ny fahalafosan’ny akora ampiasaina. Atao hatrany anefa ny tsy haha fatiantoka ny mpamokatra sasany sy ny mpanjifa, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Niforona dimy taona lasa izay ity fikambanana ity. Misehatra amin’ny fanaovana asa sosialy sy fanampiana ny mpiara-belona, indrindra ireo olona sahirana sy tsy an’asa eto amin’ny Nosy ny antom-pisiany. Ahitana sehatra maro ao anatin’ny hetsika ataon’izy ireo. Anisan’izany, ny fanajana ny tontolo iainana na ny “beau gosse écologique”. Ahafahana manodina fako sy plastika, mamokatra arina ekolojika ary manamboatra fatana mandeha amin’ny menaka vidange. Mamokatra fatana manodidina ny 7 000 eo izy ireo hatramin’izao. Manodidina ny 9 600 ireo mpikambana misitraka tombontsoa avy amin’ny tetikasa maro eo anivon’ny fikambanana, amin’ny ankapobeny

Nanatontosa : Mino

Partager sur: