Sehatra iray mahaliana ny ankamaroan’ny tanora ny fidirana amin’ ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara. Anisan’ny sampana iray manatanteraka ny fanampiana ny olona marefo manerana ny Nosy ny mpamonjy voina, Croix Rouge malagasy.
Tambajotra miahy ny maha olona sy ny marefo eto amin’ny Nosy ny sampana vonjy voina, Croix Rouge malagasy (CRM). Ho antsika eto Madagasikara manokana, fikambanana miasa ho an’ny tombontsoa iombonana izy io, araka ny didim-panjakana 63-489, tamin’ny 7 aogositra 1963. Manodidina ny 10 333 ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny Croix rouge malagasy hatramin’izao, araka ny fanisana nataon’izy ireo farany, ny taona 2023. Tanora malagasy avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Misy ihany koa ireo efa lehibe, izay mpitarika sy mpampiofana ny tena ankamaroan’izy ireo. Manana traikefa sy fahaizana manokana mahakasika ny asa takina ny 20 – 25% amin’izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Manampy ity fikambanana ity ny fitondram-panjakana amin’ny filan’ny mponina marefo eny ifotony. “Azo raisina ho mpilatsaka an-tsitrapo ny olona iray rehefa resy lahatra sy manolo-tena hanampy ny olona marefo eny ifotony ary tsy sandaina vola”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Croix Rouge eto Madagasikara, Ratsimamanga Andoniaina, nandritra ny fankalazana tetsy Analakely, ny alarobia teo. Nilaza izy fa tsy misy fepetra takina amin’izy ireo raha tsy ambony kokoa ny sehatry ny asa takina hatao.
Manamavaina ny fanaintainan’ny mpiara-belona sy misehatra ao anatin’ny hamehana ary ny trangan-javatra misy eto Madagasikara ny anjara asan’ny sampana mpamonjy voina CRM. Mamonjy ny aina sy miantoka ny fahaveloman’ny olona iray mandra-pahatonga any amin’ny mpitsabo ihany koa. Ho azy ireo manokana, manao ny tantsoroka amin’ny fitantana ny loza sy ny tandindonin-doza, izay iarahany miasa amin’ny mpamonjy voina hafa eto amin’ny Nosy. Izany hoe, mifamatotra sy mifanampy tanteraka amin’ny fanjakana ny asan’izy ireo manoloana ny fiahiana ny maha olona.
Misitraka tombontsoa amin’ ny lafiny maha olona ihany koa
Misitraka ny tombontsoa eo amin’ny lafiny maha olona toy ny mpiasa rehetra eny anivon’ny orinasa ihany izy ireny. Anisan’izany, ny solom-paladia sy ny solon-tsakafo rehefa manao ny asa eny ifotony ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo. Tsy maintsy omena fiofanana izy ireo rehefa miditra amin’izay sehatra izay. Mba haha matihanina ny asa mahafeno ny fepetra ilaina rehetra amin’ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo. « Tsy natao hitadiavana tombontsoa manokana ny antony anaovana sy irotsahana an-tsitrapo », hoy ireo mpilatsaka an-tsitrapo nanontaniana. Nilaza izy ireo fa ny finiavana hanome tanana sy hanampy ny mpiara-belona no nandrisika azy ireo hiditra amin’ity sehatra iray ity.
Efa ahitana mpilatsaka an-tsitrapo avokoa manerana ireo faritra sy distrika rehetra eto amin’ny Nosy. “Ampy sy mahasehana ny famonjena voina fa ilaina ny fanampiana ny traikefa eo amin’izy ireo”, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny Croix Rouge eto Madagasikara, Ratsimamanga Andoniaina. Tsy maintsy omena fiofanana avokoa ny olona iray raha vao miditra ao anatin’ny fikambanana. Anisan’izany, ny “Premier secours”, eo koa ny fiofanana amin’ny fahaiza-manao manokana ilaina. Manao tantsoroka amin’ny sehatry ny fahasalamana, toy ny valanaretina covid-19… Tafiditra ao anatin’izany ny famonjena voina sy fitantanana ny loza ary ny tandindonin-doza eto amin’ny firenena sy ivelan’i Madagasikara.
Mahavotra aina ny fahafehezana ny asa
Miantoka ny fanatanterahana ny asa rehetra mandritra ny famonjena voina ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fahafehezana ny famonjena voina ataon’izy ireo. Betsaka ny aina avotra ary maro ny takaitra voasakana vokatry ny loza. Mety hiteraka fahafatesana na traikefa ho an’ilay olona raisina an-tanana ny tsy fahafehezana na tsy fahampiana traikefa eo amin’ny olona iray, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tanjona ny hanenana ny fanaintainan’ny olona manoloana ireo loza voajanahary mitranga maneran-tany sy manerana ny Nosy.
Mitohy ny fandraisana mpilatsaka an-tsitrapo
Mitohy foana ny fanentanana sy fandraisana ireo maniry ny hisehatra amin’izay asa izay hatramin’izao. Ao anatin’ny lahasa ataon’izy ireo isan-taona ny fanentanana ny olona mba hilatsaka an-tsitrapo. Olana sedrain’izy ireo eny ampanaovana ny asa ny faharatsian’ny lalana sy ny tsy fandriampahalemana.
Nanatontosa : Mino