Kitra – Ampahefa-dalana «Play off» : hatao eto Antananarivo ny lalaon’ ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana

Hiova ny fandaharam-potoana amin’ny fanatontosana ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League” (PFL). Ekipa roa no tsy hilalao any amin’ny kianjany, dia ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana.

Nivory teny Andoha­ra­no­fotsy, omaly, ny CFEM sy ireo filohana klioba tafita amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny “Pureplay football league (PFL)”. Ny AS Fanala­manga, ny Asa Diana, ny Disciples FC, ny Elgeco Plus, ny 3FB Toliara, ny Tsara­mandroso Formation izany. Niresaka mivantana tamin’ny antso an-tariby kosa ny Fosa JR Boeny sy ny Zanakala FC.
Tapaka fa mba hanatrarana ny 30 jona, daty handefasana any amin’ny Caf ny anaran’ny solontena malagasy amin’ny fifaninanana afrikanina, hotanterahina ny 19 – 26 mey ho avy izao, ny ampahefa-dalana mandroso sy miverina. Ankoatra izay, nanaiky ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana fa hatao eto Antananarivo avokoa ny lalaon’izy ireo. Manan-tsafidy ny ekipa roa tonta, amin’ny kianja tiany hilalaovana. Azy ireo ny fikarakarana sy ny vola miditra amin’izany. Notsindrin’ny filohan’ny Asa Diana, Hajan­drazana Mana­haka Derison, ny amin’ireo mpitsara mba hanao izany ara-drariny fa mamotika ny ekipa izay mandany volabe. Tsiahivina fa ny 8 jona ny lalao manasa-dalana mandroso ary 15 jona ny miverina. Fama­ranana ny 30 jona 2024, izay hatao eo Mahamasina.

Tompondaka

Ampahefa-dalana mandroso
Sabotsy 18 mey
Kianja Rabemananjara
3:00- Tsaramandroso vs Disciples FC
Alahady 19 mey
Kianja Rabemananjara
3 :00- Fosa JR vs Elgeco Plus
Kianja Ampasambazaha
3 :00 – Zanakala vs AS Fanalamanga
Kianja Antananarivo
3 :00 – 3FB vs Asa Diana

Ampahefa-dalana miverina
Sabotsy 25 mey
Kianja Elgeco Plus
3:00 – Disciples FC vs Tsaramandroso Formation
Alahady 26 mey
Kianja Elgeco Plus
3 :00 – Elgeco Plus vs Fosa Jr
Kianja Ambatondrazaka
3 :00 – AS Fanalamanga vs Zanakala FC
Kianja Antananarivo
3 :00—Asa Diana vs 3FB

Partager sur: