Notanterahina teny Mahamasina, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny taekwondo malagasy (FMTKD), Rakotomanana Franck Tiana, sy ny filohan’ny FMTKD teo aloha, Ramanantsoa Christian. Nandritra ny lanonana no nilazan’i Dimbiheriniaina Fanomezantsoa Pharlin, tale teknika nasionalin’ny Federasiona, fa misy fifaninanana iraisam-pirenena lehibe roa miandry an’i Madagasikara.
Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy “junior”, lahy sy vavy, izay hatao any Korea Atsimo, ny 1 hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao. Hotontosaina any Hong Kong kosa ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny fihetsika mirindra “poomsae”, sokajy “sénior”, lahy sy vavy.
“Manana vina lehibe ny Federasiona vaovao ny hamerina an’i Madagasikara indray eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hanana solontena amin’ny taranja taekwondo ny Malagasy mandritra ny lalao Olympika 2028”, hoy i Dimbiheriniaina Fanomezantsoa Pharlin. Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana, hatao ny faran’ny volana desambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taona 2024.
F.R