Tontosa teny amin’ny Kianja Ivato, ny zoma hatramin’ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, taranja tsipy kanetibe, sokajy olon-tokana. Nisongadina ny klioba C2BA Vakinankaratra izay nanao pao-droa. Lasany avokoa ny teo amin’ny “senior” lahy sy vavy. Adin’ny samy zareo ny famaranana, teo amin’ny lehilahy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara i Andry Herilalaina Jean Bruno, rehefa nandresy an-dRazafimahatratra Herilantosoa, tamin’ny isa mazavan 13 no ho 5.
Tompondaka teo amin’ny vehivavy i Nirinaniaina Lalatiana Saholy, nanilika an-dRazafinakanga Mirana, avy amin’ ny Besady Plus, tamin’ny isa 13 no ho 7. Mbola noporofoin’ ny ekipan’ny Pac Ampitatafika kosa ny maha goavana azy ireo, teo amin’ny “junior”. Nandrombaka ny amboara Rasolson Andriantsivolo Nathanael, nandavo an’Andrianoah John Steven, mpilalaon’ny APM, 13 no ho 5. Nentin’ny Bic Ambohimahasoa nody kosa ny teo amin’ny “vétéran”, rehefa nandresy an-dRandriamampionona Raymond, avy amin’ny Besady Plus teo amin’ny famaranana, Razafindrabe José. 13 no ho 7 ny isa nisarahan’ny izy mirahalahy.
Nahatratra 449 ny isan’ny mpandray anjara ka 256 teo amin’ny “senior”, lehilahy, 89 “senior”, vehivavy, 54 “vétéran” ary 50 “junior”. Dingana manaraka ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’olon-droa miaraka, tontosaina ny volana jona ho avy izao.
Tompondaka