Fambolem-bary an-tanety : vahaolana hiatrehina ny filana ara-tsakafo eto Madagasikara

Mbola tsy maharaka ny famatsiam-bary eto Madagasikara, antony mahatonga ny fanafarana vary avy any ivelany. Manodidina ny 780 000 taonina isan-taona ny voka-bary eto amin’ny Nosy. Vahaolana maharitra sy hanatsarana io vokatra io, eto an-toerana, ny voly vary an-tanety.

Fomba nentim-paharazana hatrizay teto Ma­da­gasikara ny fambolem-bary. Tafiditra ao anatin’ ny kolontsain’ny Malagasy mihitsy ny fanaovana azy io satria foto-tsakafo iray tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny rehetra. Matetika, tsy ampy ny filan’ny mponina ara-bary eto amin’ny Nosy. Antony iray mahatonga ny fiakaran’ny vidim-bary rehefa fotoan’ny maitsoahitra izany, noho ny tsy fahampian’ny tolotra. Ny fahatsapana izany zava-misy izany no nahatonga ny fikarohana eo anivon’ny Fofifa. Vahaolana naroson’izy ireo ny fampitomboana sy fanatsarana ny voly vary an-tanety. “Anisan’ny vahaolana hiatrehina ny filana ara-bary eto amin’ny Nosy ny fambolem-bary an-tanety, mba hanatsarana kokoa ny vokatra eto an-toerana”, hoy ny filohan’ny departemantan’ny vary eo anivon’ny Fofifa, Razaka­mia­ramanana. Nanomboka tamin’ny taona 1980 no efa nahitana sy nanomboka namboly vary an-tanety ny Malagasy. Anisan’ny tena nahitana izany ny teto afovoantany sy ny faritra tsy dia misy lohasaha. Mamboly izany avokoa ny 71% ny tantsaha ao amin ny faritra avon’i Vakinankaratra, araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana, tamin’ny taona 2011. Raha toa ka tsy nisy afa-tsy 32% izany ny taona 2005.
Hita hatraiza hatraiza amin’ny faritra maro, manerana ny Nosy, ny voly vary an-tanety. Anisan’izany, ny eto afovoantany, any Vakinan­karatra, Mandoto, Tsiroano­mandidy…
Voafetra ny fanitarana tanimbary eto Madagasikara noho ny fitomboan’ny mponina. Mbola kely ny velaran-tany hambolena azy io an-tanety raha oharina amin’ny vary an-drano, raha ny ny hita. Nambarany fa ilaina ny hampaharitra ny fambolena an-tanety, indrindra ho an’ ireo tantsaha tsy dia manana ny ampy ka voatery mamboly amin’ny tany kisilasila. Eo ihany koa ho an’ireo tantsaha tsy manana zezika na fanafody fiarovana ny voly. Ankehitriny am-polony ny karazam-bary an-tanety efa hita. Nohatsaraina hatrany izany, ary ny tena malaza sy be mpampiasa indrindra dia ny karazam-bary an-tanety Fofifa 173, 180, 186, ho an’ny faritra avo.

Natao hikajina ny tsiron’ny tany ny voly vary an-tanety
Ahazoana tombontsoa maro ny fanaovana voly vary an-tanety. Anisany ny fampitomboana ny voka-bary miakatra eny anivon’ny tsena sy ny ankohonana tsirairay avy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Raha ny fotsim-bary manokana, azo atao sakafon’olombelona, anaovana la­kaoly, fanafody ary toaka. Azo atao sakafom-biby kosa ny apombo. Atao sakafom-biby sy lafika kosa ny mololo. Natao handorana biriky sy azo anaovana zezika composte ihany koa ny akofa. Ankoatra izay, vokatra azo amin’ny fanaovana vary an-tanety ny hikajina ny tsiron’ny tany, sady ahafahana mamokatra misimisy kokoa. Olana amin’ny fambolena azy an-tanety ny tsy fahampian’ny tosika eo amin’ny tantsaha. Toy ny eo amin’ny vidin’ny zezika ampiasaina. « Tokony hanana politika sy hanao ezaka ny fanjakana mba hanampiana ny tantsaha hamokatra vary bebe kokoa eto amin’ny Nosy”, hoy hatrany izy.

Efa mahatoraka ny an-tanimbary ny an-tanety

Nahita karazam-bary betsaka famboly an-tanety ireo mpikaroka. “Efa mahatoraka ny voka-bary an-drano izany, na eo amin’ny lafiny tsiro na ny vokatra”, raha ny fanazavana hatrany. Amin’ny ankapobeny, tsy dia mifanalavitra amin’ny vokatra an-drano ny vary an-tanety. Raha ambolena volana desambra izy, efa miakatra ny volana avrily. Somary milatsaka kely kosa ny vokatra an-tanety amin’ny hektara noho ny vary an-drano. Mahatratra any amin’ny efatra na dimy taonina isaky ny hektara ny vary an-drano. Manodidina ny 2,5 -3 t/ha eo izany raha an-tanety.
Misy ihany koa ny teknika fambolena tsy maintsy ovaina, noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tany… Anisan’ny hatsaraina ny fambolena manaja ny tontolo iainana. Vokatra azo avy amin’izany ny fijerena ny fomba fambolena maharitra sy manatsara ny tany. Miala amin’ny fampiasana be loatra ny zezika simika fa miditra amin’ny fampiasana zezi-pahitra sy zezika mineraly. Miankina amin’ny kalitaon’ny zezika ampiasaina ny voka-pambolena. Manatsara ny tany sady mampitombo ny vokatra ny zezika tsara kalitao. Manatsara kokoa ny tany sy ny kalitaon’ny vokatra ny fampiasana zezi-pahitra. Toy ny fanafangaroana ny zezika amin’ny taim-biby fiompy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: