FANTINA sy FINTINA

Miofana eto Antananarivo ireo mpampiofana ny ho delegen’ny kandidà amin’ny birao fandatsaham-bato, amin’ny fifidianana depiote. “Mba hitovy ny fomba fiasa amin’ny fanisam-bato na famenoana ny antontan-taratasim-pifidianana ny anton’ny fiofanana”, hoy ny avy amin’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika. Hitohy any amin’ny distrika izany avy eo.
Nampanantena ny eo anivon’ny Ceni fa ho tonga ara-potoana any amin’ny toerana andefasana azy avokoa ireo fitaovam-pifidianana. “Efa napetraka avokoa ny fepetra sy ny fomba fiarovana izany mandra-pahatongan’ny fotoam-pifidianana”, hoy izy ireo. Miara-miasa amin’izany koa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana.
Nanentana ny tokony hikojakojana ny fananana iombonana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, tany Mangamila, nanokatra ny tsenabe “Ranty vokatra”. Nambarany fa ny eny ifotony ihany no misitraka sy mampiasa azy ireny ka tokony hanana toe-tsaina mikajy sy manara-maso ireny fotodrafitrasa ireny.
Samy hanao hetsika amin’ny alalan’ny fampiakarana an-tsehatra ireo mpanakanto sy fifaninanana ara-panatanjahantena avokoa ny ankamaroan’ireo kandidà amin’izao faran’ny herinandro izao. Harahin’ny fandresena lahatra hifidy ny kandidà koa izany. Ahitana hetsika avokoa ireo kianja sy toerana malalaka, anio sy rahampitso.

Partager sur: