Fetin’ny Reny : omena « Fehezan-kalo » i Neny

Hafa tsy tahaka ny nahazatra! Sady fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy no fanomezan-kasina ny Reny. Hotoloran’ny Foibe fikarohana sy fampiofanana momba ny mozika « Valiha Académie » fehezan-kalo ny Reny rehetra. Tendren’izy ireo amin’ny valiha ka alefany ao anaty facebook izany. Avy amin’ny famelomana sy famerenana ary fampahatsiahivana (Cover) ny sanganasan’ireo andrarezin’ny hira malagasy tahaka an’i Lex Rana ( namorona ny hira Bako nohirain’i Barijaona), Victor Solo (mpamoron-kira sady mpanoratra tantara filalao an-dampihazo sy amin’ny Radio), sns, no hataon’ny mpianatry ny Valiha Académie amin’izany. Natomboka tamin’iny herinandro mivalona anio iny ny fandefasana ny fehezan-kalo. Hotohizana amin’ny herinandro ambony ary hofaranana amin’ny fanamarihana ny « Fetin’ny Reny ».
Marihina fa anisan’ny ezaka lehibe ataon’ity Foibe fikarohana sady fampianarana momba ny mozika ity ny hampahafantatra ny olon-drehetra fa manana lanja sy hasina lehibe eo amin’ny fitaizana ny maha olona ny zavakanto sy ny kolontsaina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: