“Aza kivikivy”. Rakitsary iray an’ny Hell’s Rush, ahitana ny firafitry ny tarika amin’izao fotoana io. Anisan’ireo hira mandrafitra ny rakikira vaovao, “In the name of love” izany.
“Rakikira noketrehina tato nandritra ny fotoana elaela izy ity. Eo foana ny maha mpanao rock, saingy misokatra be izahay fa tsy voafehin’ny hoe rock fotsiny. Niara-niasa tamina mpanakanto maro ihany koa, na ireo efa zokiny na ireo tanora aty aoriana tamin’ny fanatontosana izany”. Io ny nambaran’i Karim, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ho fampahafantarana ny vokatra vaovao, omaly, tetsy amin’ny Studio namolavolan’ny Hell’s Rush ny vokatra.
Ho fampahafantarana ny “In the name of love”, hisy ny fampisehoana izay hotontosain’ny tarika ny alahady 19 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ ny La Teinturerie Ampasanimalo. Mazava loatra fa ireo hira mandrafitra ny rakikira vaovao aloha no tena hampahafantarina. Eo ihany koa anefa ireo hira anatin’ny rakikira voalohany nivoaka ny taona 2020, izay efa nahenoana ny fironana ara-mozikan’ny tarika.
“Ho raisina an-tsary ny seho ary haparitaka izay tratra satria manam-pikasana ny hikatsaka ny tsenan’ny mozika any ivelany ihany koa izahay. Mbola hisy fitetezam-paritra hatao eto ihany koa, maneho izay fisokafanay amin’ny mozika izay”, hoy kosa i Lalah.
Eny, tsy vaovao na ny anaran’ny tarika, na ireo mpikambana namorona azy. Anisan’ireo nanangana ny tarika Tselatra niaraka tamin’i Eric i Karim, avy eo tao anatin’ny tarika Apost ihany koa. Nanangana ary mbola ao anatin’ny tarika Kazar ihany koa i Lalah. “Taorian’ny seho nataon’ny Apost ny taona 1993 no nieritreritra ny hanangana ny Hell’ Rush izahay. Teo ihany koa i Abass tamin’izay, nifanohana teo foana. Tany amin’ny taona 2010 anefa vao tanteraka izany. Taty aoriana be indray vao tonga amin’izao tohin’ny tetikasa izao, nampian-dry Andry Ramamonjisoa izay mpitendry efa fantatra ihany koa, sy ireo tanora taty aoriana toa an-dry Chloé Soavina, miandraikitra ny feo”, hoy hatrany ny fitantaran’i Karim. Anisan’ny ketrika ho avy ny handrasain’izy ireo anjara amina “festival” iray any Canada.
Zo ny Aina