Tao anatin’ny andro vitsivitsy, nivadika tanteraka ny toetr’andro. Toa efa niampita any amin’ny andro ririnina isika eto Madagasikara, indrindra ny eto an-drenivohitra. Toraka izany ny any amin’ny manodidina. Vanim-potoana mampirongatra ny karazana areti-mifindra no dikan’izay. Indrindra ny gripa mahery, na ireo aretina hafa mahazo ny taovam-pisefoana.
Mila mitandrina ny isam-batan’olona, indrindra amin’ny fampiakarana ny hery fiarovana: na zaza na olon-dehibe. Mbola mila mitandrina sy mametraka ireo fihetsika fiarovana, tahaka ny tamin’ny vanim-potoan’ny Covid 19 ny tsirairay. Mbola misy ny olona mamoy ny ainy, noho ny aretina heverina fa tsy misy dikany akory. Aretina mahafaty tampoka ny fahasemporana, vokatry ny tsy fitandremana.
Betsaka ny fisorohana azo atao, izay tsy handaniam-bola be noho ny fitsaboana. Zava-dehibe ny fahatsapan-tenan’ny rehetra. Na ny resaka fahadiovana madinika indrindra dia mety hanavotra ain’olona maro: toy ny fanasana tanana sy ny tsy fihinankinanam-poana sakafo tsy ara-pahasalamana. Ekena fa sarotra ny fiainana, saingy ny mahery tsy maody no tsy ela velona. Tsy natao ho fialana « bala » ka hahavoretra hitarika tsy fahasalamana ny fahasahiranana.
Tsy ny aretina ihany no ilana fitandremana, fa mifanindran-dalana amin’izay ny fanabeazana na ny fifanabeazana. Tsy afa-misaraka ireo, raha tiana ny hampivelatra ny maha olona an-dRamalagasy, izay efa tena kofon’ny fiainana ara-bakiteny. Velona mitsipozipozy sisa ny ankamaroan’ny olona. Raha marary izany, dia tena miandry izay higadonan-drafahafatesana fotsiny, na miandry fanasitranana mahagaga.
Soa ihany fa tsy misy maty raha tsy amin’ny fotoany! Maro ny sitrana ho azy noho ny fanaovana fanafody tenany. Misy dia hilaozan’ny aretina ho azy izany. Asa re na izay no fitahian-janahary?
r.r