“Aleo hifanakaiky, aleo hiara-kiasa” hoy ny Filoham-pirenena, nandritra ny fidinana ifotony nataony omaly. Distrika sy kaominina maro no efa nisitraka izany fidinana ifotony izany. Hitohy hatrany izany ho fijerena ny mararin’ny vahoaka, araka ny nambarany.
Tany Vohibato sy Ikongo ary Ivohibe indray ny filohan’ ny repoblika, Rajoelina Andry, no nanatanteraka ny fidinana ifotony, omaly. Nanotrona azy tamin’izany ireo olom-boafidy sy olo-manankaja maro avy amin ’ireo tanàna ireo. Izy ity izay fotoana hanolorana ireo fotodrafitrasa sy fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Natao izao ho famaliana sy fijerena ny marary sy ny filan’ny mponina eny ifotony sy fizarana jiro isan-tokantrano. Hetsika ara-pahasalamana faobe, fanampiana sy fampitaovana ny tantsaha. Ireo no nandravaka ny fandaharam-potoanan’ity fidinana ifotony ity.
Mitohy hatrany ny famalian’ny fitondram-panjakana ny filan’ny vahoaka sy ny fijereny ny mponina eny ifotony. Ho an’ny tao Vohibato manokana, nisy ny fizarana jiro ho an’ny isan-tokantrano. Nitohy tao Ikongo izany, niaraka tamin’ny hetsika ara-pahasalamana faobe nanomezana fitsaboana sy fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo mponina tao an-toerana. Tsy nijanona teo fa nitohy hatrany Ivohibe izany hetsika izany. Fizarana masomboly sy zezika NPK no natao tao amin’ity tanàna ity.
Ankoatra izay, nisy ny fanamby nataon’ny Filohan’ny Repoblika, tamin’ireo vahoaka nitafa taminy. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana, ny fametrahana ivontoerana mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Eo ihany koa ny fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka sy manakaiky vahoaka. “Tsy hisy distrika ho hadino intsony, indrindra amin’ny fahazoana herinaratra, eto Madagasikara”, hoy Rajoeliana Andry, filohan’ny Repoblika.
Lin