sehatra iraisam-pirenena : mitaky fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana

Nanamafy ny efa voalazan’ ny Amerikanina. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena eto amintsika. Maromaro ireo fangatahana napetrak’izy ireo amin’izao hiatrehina ny fifidianana depiote izao. Manamafy ny fanohanany ny zotram-pifidianana mangarahara, azo antoka sy tsy mitanila ary andraisan’ny rehetra anjara, izy ireo, araka ny fanambarana. Hentitra koa anefa ireto avy amin’ny iraisam-pirenena ireto amin’ny mba ho ao anaty fitoniana izany. “Aoka heverina ho zava-dehibe ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ireo fahalalahana fototra”, hoy izy ireo. Nankasitrahin’izy ireo koa ny fandraisana anjara nataon’ireo mpisehatra maro eo amin’ny tontolo politika amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao. Nen­tanin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny masoivoho britanika sy i Alemà miaraka amin’i Soisa sy Etazonia ary Frantsa, otronin’ny Vaomie­ran’ny ranomasimbe Indianina (COI) koa ny olom-pirenena rehetra mba handray anjara mavitrika amin’ny latsa-bato hatao ny 29 mey izao, araka ny fanambarana hatrany.
Tsiahivina fa efa nanao fanambarana mitokana tsy mifanalavitra amin’izao avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao ny eo anivon’ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika, herinandro vitsy lasa izay.

Synèse R.

Partager sur: